05 desambra — Teraka ny 28 mey 1856 tao Lu Monferrato i Philippe Rinaldi. Teo amin'ny faha iraika amby roapolo taonany izy no tafaraka tamin'i Don Bosco. Rehefa nohamasinina ho pretra izy dia nomena andraikitra ho mpanabe ireo tanora miofana ho salezianina.

Ny taona 1889, nirahanan'i Don Rua tany Sarria, any Espagne i Philippe Rinaldi, ka notendreny ho lehiben'ny ankohonam-piainana tany. Avy eo izy voaantso ho lehiben'ny faritany, ka nandray anjara mavitrika tamin'ny fampivoarana ny salezianina sy ny fanitarana izany fikambanana izany tao Espagne. Rehefa voatendry ho Vikera jeneralin'ny fikambanana indray izy, dia nasehony ny fanomezam-pahasoavana, avy amn'ny Ray, nananany sy ny haren'izany hoe fandraisana andraikitra : teo ny fikolokoloana ny fiantsoan'Andriamanitra, ny fanorenana ireo ivo-toerana fitaizam-panahy sy fanampiana ireo tanora mpiasa, ny fitarihana sy ny fanohanana ireo relijiozy tao amin'ny Filles de Marie Auxiliatrice tamin'ny fotoana manokana teo amin'ny tantaran'izy ireo. Nankahery ireo Coopérateurs ihany koa i Philippe Rinaldi. Izy no nanangana ny famondronana ireo maintimolaly, ary niara-niasa tamin'ireo Zélatrices de Marie Auxiliatrice, ka ny fizorany niaraka tamin'izy ireo no nahatonga azy hanorina fikambanana vaovao ho an'ny lahika hoe Volontaires de Don Bosco.

Rehefa voafidy ho Recteur Majeur i Philippe Rinaldi ny taona 1922, dia nampiasainy ny heriny rehetra mba hampanaraka ny toe-panahy sy fiainam-panahin'i Don Bosco, amin'ny vanim-potoana vaovao. Izy no namelombelona ny fiainana anatin'ny fikambanana salezianina : ny fahatokisana tanteraka an'Andriamanitra sy i Maria Virjiny Vonjin'ny kristianina. Nangataka ny indulgence ho an'ny asa voahasina tamin'ny papa Pie XI izy. Natao ho laharam-pahamehana ny iraka, ka maro ny tanora nalefa nianatra fomba fiteny sy kolontsaina mba ahafahana mahomby amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Marihana fa ny 05 desambra 1931 no nodimandry i Philippe Rinaldi, ary hajaina ao amin'ny bazilikan'i Marie Auxiliatrice ny vatany amin'izao fotoana izao. Ny 29 aprily 1990 ny papa Jean Paul II no nanandratra azy ho olontsambatra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...