Teraka tao Cerny-en-Laonnois, tao anatin'ny fiaraha-monina gallo-romaine, tokony ho tamin'ny taona 437 i Remi. Emile, Comte tao Laon no rainy ary i Masimbavy Céline no reniny. Tia vavaka sy matahotra an'Andriamanitra tokoa ity fianakaviana ity.

Araka ny fintantaran'i Hincmar tao amin'ny asa sorany "Vita Remigii" dia lehilahy mpitoka-monina jamba no nilaza tamin'i Emile sy i Céline fa hiteraka zazalahy izy ireo ary io zaza haterany io no ho apôstôlin'ny Francs sy hanorina ny Fiangonana ao Gaule. Marihana fa i Remi dia efa nanana zokilahy roa.

 Rehefa teraka i Remi dia nitombo fahendrena, fitiavam-bavaka sy fanetren-tena. Tsy latsa-danja tamin'izany koa ny fahaizana sy ny faharanitan-tsaina. Voalaza fa teo amin'ny faha-20 taonany izy dia nihidy tao amin'ny efitrano iray tao an-dapa tao Laon, nanohy ny fianarany sy ny fiainam-bavaka izy tao, ary tsy mivoaka io efitrano io raha tsy hanao ny asa fitiava-namana sy ny fotoam-bavaka miaraka.

Nitombo ny laza tsarany tao an-tànana ka rehefa maty i Bennadius evaka tao Reims dia nofidian'ny pretra sy ny olona tao an-tànana ho eveka handimby an'io izy na dia vao 22 taona monja aza, sady mbola tsy pretra akory. Nataony izay rehetra hevitra mba hialana amin'io fifidianana io, nefa tsy nanaiky ny vahoaka. Dia nohamasinina ho eveka àry i Remi, ary izy no eveka faha-15 tao Reims.

Taorian'ny fanamasinana azy ho eveka dia noraisiny andraikiny ka tamim-pahamatorana sy fandanjalanjana tokoa, toy ny eveka efa tranainy teo amin'izany toerana izany, no nanaovany ny asany niaraka tamin'ny fitiavam-bavaka, ny fankalazana, ny fibebahana sy ny fitiava-namana. Izy dia mpitory teny sy mpampianatra tonga lafatra ho an'ny vahoaka tao. Teo ihany koa ireo fahagagana nasehony: ny fanalana ny demony, ny fampahiratana ny jamba, ny nanova ny rano ho divay sy ny fanangan-ko velona ny olona maty. Izy no nampibebaka an'i Clovis Voalohany. Ny Noelin'ny 496 no natao batemy ity mpanjaka ity tao amin'ny Katedraly tao Reims, ary nisy voromailala nitondra ilay menaka masina fanosorana ny mpanjaka avy an-danitra tamin'izany. 3.000 ireo miaramila natao batemy niaraka tamin'io mpanjaka Clovis io. Nampiombona ireo katôlika tao Gaule tiy mpanjaka ity.

Nandrintra ny 70 taona i Remi no nitondra ny Fiangonana tao Reims ka noho ny aretina nahazo azy dia nodimandry ny 13 janoary 533 izy ary nalevina 15 janoary ihany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...