Ny fibebahan'i Masindahy Paoly no ankalazaina ny 25 janoary. I Masindahy Paoly dia Jody avy amin'ny fokon'i Benjamina. Teraka tao Tarse (Cilicie), nifanerasera tamin'ny Grika ary niaina tao anatin'ny fanjakana romana. Tsy nianatra afa-tsy haisoratra izy tao amin'ny sekoly tao Tarse. Avy eo nankany Jerosalema nandranto fianarana tao amin'ny sekolin'i Gamaliel.

Mpanenjika kristianina nikohizana ny rainy, ary nanahaka azy koa i Saoly. Nanatri-maso ny nitoraham-bato an'i Étienne izy, nandrava ny fiangonana tao Jerosalema ary nandray anjara feno tamin'ny fanenjehana sy fampidirana am-ponja ary fampijaliana ireo mpianatr'i Kristy. Mbola i Saoly no anarany tamin'izany, fa raha teny an-dàlana ho any Damasy izy niaraka tamin'ireo miaramila hanenjika ny kristianina no nihaona tamin'i Jesoa ka nanova ny fiainany manontolo.

Raha tsiahivintsika izay ambaran'ny Asan'ny Apôstôly 9, momba ity fibebahan'i Masindahy Paoly ity dia azo fehezina toa izao: I Saoly mihitsy no nangataka taratasy tamin'ny Mpisorombe ho an'ny Sinagaogan'i Damasy mba hitondra am-patorana ho any Jerosalema ireo kristianina, na lahy io na vavy. Rehefa akaiky ny tanàn'i Damasy anefa izy no sendra hazavana nanjelatra ka lavo tamin'ny tany ary naheno feo nanao hoe: "Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao?" Rehefa nanontany momba io feo miresaka aminy io i Saoly dia ho io: "Izaho no i Jesoa, izay nenjehinao". Nangovitra i Saoly no sady nanontany hoe: "Tompo ô, inona no tianao hataoko?". Fa hoy ny Tompo namaly azy: "Mitsangàna, midira ao an-tanàna ary ao no holazaiko anao izay tsy maintsy hataonao". Tamin'izay dia lasa jamba i Saoly ka notantanana izy niditra tao Damasy. Nandritra ny telo andro izy no tsy nahita, sady tsy nihinana no tsy nisotro.

Hitantsika amin'io fibebahan'i Masindahy Paoly io àry ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra izay tsy azo na iza na iza toherina. Na dia niseho ho tena mpanenjika ny fivavahana kristianina ary i Saoly, rehefa tratran'izy herin'Andriamanitra izay dia nalemy tsy afa-nanohitra intsony. Ny fahendrenan'Andriamanitra, ny famindrampon'Andriamanitra tsy manam-paharoa dia afaka mahatonga ny olona izay heverina fa mpanota indrindra ho lasa lehibe indrindra amin'ny olomasina. Noho izany, tokony tsy ho diso fanantenana mihitsy isika raha ny amin'ny famonjena ny olombelona satria ny zavatra rehetra dia efan'ny vavaka sy ny fahasoavan'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...