Alatsinainy 13 aprily 2020 — Alatsinainy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 8-15 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

0 : 00

Tohin’ny Evanjely ny alahady ihany ity entina amintsika ity. Mankalaza ny Paka isika, ka mitohy arak’izany ny fety. “Natahotra no faly indrindra” ireto vehivavy ireto. Adidy nanirahana azy izany ka notontosainy. Toy izany koa isika rehefa mahazo iraka iray : sady matahotra no faly. Matahotra satria hoe : ho vitako ve izany sa tsia, dia ahoana sy ahoana ny amin’izany ? Sy izao karazam-panontaniana maro rehetra izao ; fa faly koa satria nahazo iraka vaovao, efa azo sary an-tsaina ny miandry sy ireo maro hafa mifandraika amin’izany. Tohiny : “Lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra”. Antony roa no mety nitranga : amin’ny maha vehivavy azy ireo fa ankoatr’izany asesiky ny hafaliana dia nihazakazaka fa tsy hoe nandeha miadana, na tsy rototra, na taitra akory ! Tsy izany ny azy ireo. Fa isika amin’ny iraka ataontsika, ahoana ny fanatanterahana azy ? Iza amin’ireo no anaovantsika azy ?

Fa araka ny efa voalazantsika dia mialoha lalana mandrakariva Izy Jesoa. Hatramin’izao Izy no miseho amintsika, miarahaba antsika, miara-dalana antsika, indrindra amin’ireo manodidina sy mifanerasera amintsika fa isika no mody fanina na tsy te hahalala na koa tsy mahatakatra na variana amin-javatra na olon-kafa mihitsy ka tavela eo Izy. Izany ataontsika izany matetika toa maneho fa ambaniantsika Izy Tompo fa misy ataontsika ambony noho Izy. Efa tafatsangan-ko velona Izy izao. Tsy misy Andriamanitra toy izany : maty nefa tafatsangan-ko velona, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Lehibe sy ambony indrindra Izy ka aza atakalo na ambaniana intsony. Manamafy izany ny tohin’ny Evanjely: “namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany” izy ireo ; izany no fihetsika tsara indrindra mila ataontsika krisitianina, na isika olombelona rehetra mihitsy manko e, eo anatrehan’Izy Tompo Andriamanitra. Izany hoe : tsy miala aminy, miantehitra aminy, maneho mari-panajana Azy sy ny hoe : Izy ihany no iankohofana fa Izy irery no hany Andriamanitra : maty fa nitsangan-ko velona.

Ankoatr’izany, efa hatramin’izany ka mandraka ankehitriny ity fomba ratsy ity : manely sy mampiely vaovao diso, na koa hoe manely tsaho, hoy isika. Eto izao : "Aelezo amin’ny olona fa tonga alina ny mpianatra nangalatra Azy raha mbola natory izahay hoe” kanefa anie mpiambina ireto olona ireto : mpiambina ve hatory, mahita mpangalatra ve tsy hisambotra : manao lainga tsara lahatra nefa helezin’ny akoho tokana anaka, ratsy tokoa ny lainga fa ny mpandainga aza tsy tia azy. Ny vokany no tena zava-doza sy atambo mantsy, eto izao : Ary izany teny naelin’izy ireo izany no mbola inoan’ny Jody mandraka androany. Eo koa ny fandraisana tsolotra : tena zava-doza ihany koa na ho an’ny mpanome na ho an’ny mpandray ka fadio. Paka ny andro, miezaka isika handresy izany karazam-pahotana izany handresena miaraka amin’i Kristy ka tsy hamerina intsony ! Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...