Alahady 17 oktobra 2021 — Alahady fahasivy amby roapolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 35-45

Toy ny nataon’ireto Apostoly roalahy nanatona an’i Jesoa ireto, dia azo atao tsara ny manatona an’i Jesoa, fa vonona handray antsika Izy, na inona na inona antony. Izy mantsy tsy mandao antsika izany fa isika no mandositra Azy matetika. Misy aza moa sahy milaza hoe : "Efa izao ve aho dia mbola hanatona Azy ?" Amin’ireny maha ory antsika ireny indrindra no vao mainka aza hanosika antsika hanatona Azy. Tsy foto-kazo sy vorona io ka izay manina no manatona fa olombelona sy Andriamanitra ka tsara ny mifanatona hatrany. Vonona handray antsika mandrakariva Izy, koa aza mangataka andro.

Eto izao, nangataka zavatra taminy ireto Apostoly roalahy ireto, dia ny hipetraka eo ankavanany sy ankaviany. Izao aloha : mamela antsika malalaka hangataka zavatra Aminy i Jesoa, fa azo atao tsara izany. Tsy voatery ho fangatahana koa anefa fa na fifonana na fisaorana na fankalazana mety avokoa ; eto moa fangatahana. Tandremo anefa ratsy fangataka na tsy mahay izay hangantahina akory ka manjary vavaka diso fiantefa ; aiza ka seza no angatahina amin’Andriamanitra, voninahitra mandalo ety an-tany no irifana mafy, toy ny ataon’ny sasany amintsika. Ahitsin’i Jesoa ny fomba fisainana ka tsy izany no tokony hangatahina satria tsy voninahitra akory ny mpietraka ankavanany sy ankaviany fa asa fanompoana. Misy amintsika mantsy maika ery hitady seza sy voninahitra, tsy any amin’ny politika ihany fa hatraty am-piangonana aza, ka atao daholo izao fomba rehetra izao hahazoana ireny seza amam-boninahitra ireny, toy ny manao tsindrio fa lavo, tohatra fiakarana ny hafa, tany avo avaratra, eny hatramin’ny mamono mihitsy aza ka tena zava-doza.

Mazava ny tenin’i Jesoa mikasika izany eto : "Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpanapaka manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany ; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo, ary izay te ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho andevonareo rehetra. Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro." Koa tsy toeram-boninahitra ny toerana aty am-piangonana fa toeram-panompoana ka izay tena mahay manompo no tena mahavita ny adidiny fa izay tsy mahay manompo dia mitsingilahila ny sezany.

Ohatra velona ho antsika amin’izany Izy Kristy. Izay milefitra ihany no mandina mandrakariva toa lohalika sy laferana, izay mandefitra no asandratra, izay mahay manompo no ho lasa lohany. Miomana amin’ny sinaodin’ny Eveka maneran-tany izao tontolo izao ka izany fanompoana sy fanetren-tena izany no toe-tsaina tsara ananantsika rehetra hiatrehana izany. Mahereza ! Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...