Nohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema...

Alakamisy 26 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 20-28 — Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Tohiny...

I Masindahy Jean Bosco no tsaroana ny 31 janoary. Teraka tao Becchi tanàna kely tao Castelnuovo d'Asti tamin'ny janoary 1815 i Jean Bosco. Mbola kely, vao roa taona monja izy no maty ny rainy ka ny reniny no nanabe azy telo mirahalahy.

I Masimbavy Martine no tsaroana rehefa 30 janoary. Teraka tao Roma avy amin'ny fianakaviana fanta-daza i Martine. Intelo ny rainy no "Consul" ary niavaka tamin'ny finoana velona sy ny fitiavana mivaivay nananany. Rehefa maty io rainy io dia namidin'i Martine avokoa ireo fananany ary ny vola azony dia nentiny nanaovana asa fitiava-namana sy famindram-po ho an'ireo mahantra.

I Masindahy Gildas no tsaroana ny 29 janoary. Zanak'andriana tao Grande-Bretagne i Gildas. Teraka tao Écosse tokony ho tamin'ny faramparan'ny taonjato fahadimy. Taona niadian'ireo Bretons lasa romanina tamin'ireo Saxons mpandroba moa io taona io.

I Masindahy Thomas d'Aquin no tsaroana ny 28 janoary. Fianakaviana normande sy germanique no nipoiran'i Thomas. Teraka tokony ho tamin'ny faraparan'ny taona 1224 izy. I Landulph, Comte d'Aquin no rainy ary i Théodora no reniny, taranaka mpanjaka normand ihany koa.