I Masindahy Timothée sy Tite no tsaroana ny 26 janoary. I Masindahy Timothée dia teraka tao Lystre, Jiosy nandray ny finoana kristianina ny reniny fa ny rainy dia Grika mpanompo sampy. I Tite indray dia avy amin'ny fianakaviana andriana sy mpanjaka tao Crète.

Masindahy Timothée

Niaraka tamin'ny reniny sy ny renibeny i Timothée no nihaona voalohany tamin'ny Masindahy Paul tamin'ny dian'io faharoa. I Paul no nampibebaka azy ho kristianina. Nanomboka teo dia lasa mpiara-dia tamin'i Paul izy ary tena akaiky azy mihitsy. Nirahan'i Paul teo amin'ny Fiangonana tao Thessalonique izy, tao Macédoine sy Corinthe ary nasainy nandrakitra an-tsoratra ireo taratasiny. Taorian'ny fisamborana azy ireo voalohany dia niaraka hatrany izy mianaka ireo hatramin'ny niangavian'i Paul azy hijanona tao Éphèse: izy no eveka voalohany tao amin'ity toerana ity. Nokapohina sy notoraham-bato moa i Timothée raha saika handamina ny korontana nisy teo amin'ireo mpanompo sampy. Nalevina teo anilan'i Masindahy Joany izy mandram-pamindra azy tany Constantinople ny taona 356.

Taratasy roa no nosoratan'i Masindahy Paul ho an'i Timothée, izay notsongaina ho isan'ny Soratra Masina ao amin'ny Baiboly. Izy ireo dia fampirisihana hiady amin'ny fampianaran-diso sy fankaherezana azy handalina ny finoana.

Masindahy Tite

Nandalina ny haisoratra sy ny teny izy no nisy feo tsy fanta-piaviana nibaiko azy mba handao ny fireneny ka hamonjy ny fanahiny, ary nambaran'io feo io taminy koa fa tsy ilaina amin'ny famonjena ny fikarohana mpanompo sampy ataon'ny Grika. Niandry herintaona i Tite, niverina niteny taminy ilay feo mba hamaky ny Soratra Masina hebrio. Ny dadatoany izay "Proconsul" tao Crète, naheno ny fahaterahan'ny Mesia no nandefa azy tany Jerosalema ka tany no nahafantarany ny Tompo izay nifidy azy ho isan'ireo mpianatra 72. Vavolombelona nahita ny fiainan'i Jesoa i Tite: ny fijaliany, ny fitsanganany ho velona ary ny niakarany tany an-danitra. Heverina fa tany Antioche i Tite no nihaona tamin'i Paul ary nitondra azy nankany Jerosalema nanatrika ny Kônsily nandavana ny famorana ny mpanompo sampy.

Nanomboka teo dia niaraka tamin'i Masindahy Paul izy, ary nanao mpitondra hafatra nankany amin'ny Fiangonana tany Corinthe sy Éphèse. Taorian'ny namonoana ho martiry an'i Paul dia niverina tany Crète i Tite ary maty tao teo amin'ny 94 taonany.

Misy taratasy iray ho an'i Tite ao amin'ny Baiboly, izay nosoratan'i Masindahy Paul ho azy. Izy io dia mirakitra ny torolalana mikasika ny fitarihana ny ankohonan'ny mpino kristianina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...