Ny nanolorana ny Tompo sy ny nandiovana an'i Masina Maria ary ny fetin'ny Jiro masina no ankalazaina rehefa 02 febroary. Raha ny fanolorana ny Tompo no resahana dia ny Vaovao Mahafaly nosoratan'i Masindahy Lioka no tena mitantara azy (Lk 2, 22-40).

Araka ny volazan'ny Lalan'i Moizy ao amin'ny Eksaody 13, 2, dia nankany Jerosalema i Maria sy i Josefa mba hanokana ny voalohan-teraka ho an'ny Tompo sy hanolotra sorona, ireo voromailala roa na domoina, ary tamin'io fotoana io koa no notarihin'ny Fanahy Masina ho any an-Tempoly i Simeona, ilay lehilahy marina. Noraisiny teny an-trotroina i Jesoa ary hoy izy tamin'Andriamanitra: "Ankehitriny, ry Tompo, azonao alefa am-piadanana ny mpanomponao fa ny masoko mahita ny famonjena avy aminao dia ny fahazavana hanilo ny Jentily". Tamin'io ihany koa no nanambaran'i Simeona tamin'i Maria fa hotanterahin-tsabatra ny fony, ary anisan'ireo hevitra voalaza ao amin'ny fijaliana fiton'i Masina Maria izany. Fa tamin'izay fotoana nanolorana ny Tompo izay ihany koa i Anna, ilay mpaminany vavy, no tonga tao an-Tempoly nidera an'Andriamanitra, nilazalaza momba an'i Jesoa tamin'ireo rehetra niandry ny fanavotana an'i Jerosalema.

Ny fahazavana lazain'i Simeona eto dia tononina amin'ny vavaka fitsofan-drano sy fanamasinana ny jiro ka izay no mahatonga ity andro ity antsoina hoe fetin'ny Jiro masina. Amin'ny teny latinina moa dia hoe "Festum candelarum" na ihany koa ny nandiovana an'i Masina Maria. Fa any amin'ny Fiangonana Tatsinanana dia antsoina hoe "hypapante" ity fety ity, izay midika hoe "fihaonana". Ka ity fetin'ny fihaonana ity dia efa nankalazaina tany Jerosalema hatramin'ny faran'ny taonjato fahefatra. Ny papa Justinien voalohany no nanao azy ho fety lehibe ho an'ny Fiangonana "byzantine".

Tsaroana amin'ity andro ity koa i Masindahy Corneille. Izy no ilay tantairaina ao amin'ny Baiboly ao amin'ny Asan'ny Apôstôly 10 — 11. Izy io dia kapiteny tao amin'ny antoko miaramila tao Césarée, tia vavaka sy natahotra an'Andriamanitra, ary ny fianakaviany no Jentily niditra voalohany tao amin'ny ankohonam-piainana kristianina tany amin'ny taonjato voalohany.

Tsaroana ihany koa i Masimbavy Jeanne de Lestonnac. Niaina tany amin'ny taona 1556 izy ka hatramin'ny 1640. Teo amin'ny faha-17 taonany izy no nanambady ary niteraka enina. Fa tao aorian'ny nahafatesan'ny vadiny ny taona 1597 dia nahatsiaro ho nantsoin'Andriamanitra hiditra amin'ny fiainana voatokana izy. Ny taona 1603 izy no niditra tany amin'ny fikambanan-drelijiozy irany tao Toulouse. Dimy volana monja anefa izy no tao fa narary ka noheverina fa aretina tsy ahitam-panafana ity nahazo azy ity ka niala tao amin'ny fikambanana izy. Sitrana ihany anefa izy taty aoriana ka ny taona  1607 izy no nanorina fikambanana iray niaraka tamina pretra zezoita ka nanorina ny Compagnie de Marie-Notre-Dame ary niaina tao sy nitantana ity fikambanana izy mandram-pahafatiny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...