Ankalazaina amin'izao 03 febroary izao ny fahatsiarovana an'i Masindahy Blaise. Niaina tany amin'ny taonjato fahefatra nandritra ny fanjakan'ny Amperora Licinius i Blaise. Mpitsabo izy no voafidy ho eveka tao Sébaste tany Arménie.

Nandritra ny fanenjehan'i Dioclétien, dia nihery tany an-dava-bato izy, nitoka-monina ary nandany ny fiainany tamin'ny vavaka. Indray andro nirahana tany an'ala ireo tompomenakely, mba hizha biby masiaka hihinana ireo kristianina, dia gaga nahita orsa, liona, tigra niandry teo ambaravaran'ny lava-bato izay nisy an'i Blaise. Efa nifankazatra taminy ireto biby ireto ka miandry azy eo isaky ny vita ny vavaka maraina.

Tratra noho izany i Blaise ka nahiditra am-ponja, tsy nanakana azy tsy haneho ny herin'Andriamanitra tao aminy anefa izany: anisan'izany ohatra ny fanalany ilay taolan-ttrondra tao an-tendan'ilay zaza tamin'ny alalan'ny fametrahan-tanana sy ny vavaka nataony. Toa izany koa ny nadidiany ambodia hamerina amin'ny tompony ny kisoa nalainy tamin'ny vehivavy iray. Namangy azy tany am-ponja io vehivavy io ary nitondra ny loha sy ny tongontr'ilay kisoa voahendy tsara niaraka tamin'ny labozia mirehitra ho fankasitrahana an'i Blaise. Nanapa-kevitra ny governora fa hovonoina halentika anaty rano lalina i Blaise. Tsy nilentika anefa izy fa nandeha teo ambony rano, ary nisy anjely niangavy azy hiverina eny amin'ny tany ka ho faty martiry. Nankatoavin'i Blaise izany ka ny taona 316 dia nahantona izy, noratraina tamin'ny fihogo vy ny vatany, notriarina ny nofony avy eo notapahana ny lohany.

Ny sary fanehoana an'i Masindahy Blaise dia sarina lehilahy lehibe iray misalotra ny fanamiana maha eveka, mitazona ilay fihogo vy nandratrana ny nofony. Fa mety ho hita amin'izany, labozia mirehitra, na sarin-kisoa ihany koa. Fa anisan'ny olomasina malaza ho an'ny Fiangonana Tandrefana i Masindahy Blaise, anisan'ireo olomasina 14 antsoina hoe "saint intercesseur" izy. Ao Roma ohatra dia mahatratra 54 ny fiangonana sy ny toeram-pivavahana mitondra ny anarany. Anisan'ireo olomasina mpitsabo izy, indrindra fa ny areti-tenda. Nanomboka ny taonjato faha-8 ny fanajana azy no tena niparitaka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...