06 febroary — Raha ny tena marina dia ireo martiry tao Japon no tsaroana amin'ity andro ity fa anisan'ny anarana misongadina indrindra amin'izany i Paul Miki. Pretra tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa izy, nohenjehina ary novonoina teo amin'ny hazofijaliana. Ny 06 febroary 1597 izy no maty tany Japon.

I Paul Miki dia nalaza tamin'ny fahaizany nitory teny sy ny herim-po nananany tsy nahalala sasatra. Ary na efa nofantsihana teo amin'ny hazofijaliana aza izy, dia mbola nitory teny manam-pialan'ny fofon'ainy. 30 taona tao aorian'ny nadalovan'i Masindahy François-Xavier dia efa nahatratra 1 500 000 ny isan'ireo olona nibebaka ka nanaraka ny finoana kristianina tany Japon. Ny taona 1582 no efa noroahina ny zezoita nefa nandà izy ireo. Vao mainka aza tonga nanamafy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tany amin'io faritra io ny pretra fransiskana. Natahotra noho izany ny Amperora tao, noheveriny fa hanohitra ny fanjakana ny foto-kevitra entin'ny kristianina ka namoaka didy izy hisamborana azy ireo ny desambra 1596. Nohenjehina sy ny novonoina teo amin'ny hazofijaliana izy ireo ny 1597. Maro ireo martiry tamin'izany fa 26 mianaka no niaraka nasandratra ho olomasina tamin'i Paul Miki ny taona 1862. Relijiozy espaniola 6 avy amin'ny fikambanana fransiskana, lahika japoney 17 ka ankizy ny telo tamin'izy ireo, ary relijiozy avy amin'ny Fikambanan'i Jesoa ny telo ka anisan'izany i Paul Miki.

I Masindahy Amand indray dia niaina tamin'ny faraparan'ny taonjato fahenina sy ny fiandohan'ny taonjato fahafito. Fianakaviana avy any Aquitaine any atsimo andrefan'i France no nipoirany ary teraka tamin'ny taona 1584 izy. Teo amin'ny faha-20 taonany izy no niditra tao amin'ny trano fitokana-monina tao amin'ny nosy Yeu tany Vendée ary avy eo nitoka-monina tany Bourges nandritra ny 16 taona. Nohamasinina ho pretra izy, ary lasa eveka avy eo dia nankany Roma. Taorian'izay no nahatsapany fa ny hitory ny Vaovao Mahafaly eny am-pandehanana no niantsoana azy ka nifindrafindra toerana izy tany Gaule belge. Rehefa miorina ny ankohonam-piainana iray dia avelany eo ho tohizin'ny hafa, izy kosa lasa manorina any an-toeran-kafa indray. Ny taona 1646 izy no voatendry ho evekan'i Maastricht tany Hollande nefa telo taona monja izy no nitoetra tao fa aleony mitory any amin'ireo toerana mbola tsy mahalala an'i Kristy. Mari-pototra tokoa ny ankohonam-piainana kristianina naoriny satria nasiany trano fitokana-monina iray manakaiky azy ireny mba ho foiben'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fampielezam-pinoana: nahomby noho izany ny fitoriana nataony. Raha fehezina ny asany dia sady nahafoy ho an'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly izy, no nitandro fatratra ny fahamarinan'ny finoana sy ny fiombonana tamin'ny Fiangonana tany Roma sy ny papa. Nodimandry ny taona 1676 i Amand.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...