09 febroary — Raha araka ny fitantaran'i Masindahy Denys, eveka tao Alexandrie, i Apolline dia martiry tamin'ny taona 249, fotana nanjakan'ny Amperora Philippe l'Arabe izay nanenjika fatratra ny kristianina. Tamin'izany fotoana izany, nisy fifanjevona ka nasaina nivoaka ny tranony avokoa ny kristianina rehetra. Novonoina izy ireo rehefa avy nanatrika ny fandrobana ny fananany.

Anisan'ireny i Apolline, nopotehina ny nifiny ary nilatsaka hatramin'ny valanoranony. Tsy nijanona hatreo anefa izny fampijaliana azy izany fa norahonana izy mba hiteny ratsy ny fivavahana raha tsy izany dia ho dorana velona. Tamin'io fotoana nandrahonana azy io dia efa nataon'ireo mpampijaly vonona ny kitay sy ny afo handorana azy. Nangataka fotoana fohy i Apolline hieritreretana, ka raha vao nihodina ireo mpampijaly azy dia afaka niala tamin'ny tanan'izy ireo izy ka izy tenany ihany no niantsapy tao amin'ilay afo.

Noho izy nampijaliana tamin'ny fanalana ny nifiny sy ny nanapahana ny valanoranony dia antsoina izy hivavaka ho an'ireo marary nify. Izy ihany koa no olomasina mpiaro ireo mpitsabo nify. Raha ny sary famantarana an'i Masimbavy Apolline dia tovovavy miaraka amin'ny tandramokotra sy ireo nify nalana taminy. Matetika izy mihazona "palme" famantarana ny maha martiry azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...