25 febroary — Samy avy ao amin'ny Fikambanana salezianina i Luigi Versgila sy i Callisto Caravario ary anisan'ireo martiry 120 tao Chine.

Luigi Versiglia

I Luigi Versiglia dia teraka ny 05 jona 1873 tao Oliva Gessi any Lombardie. Eveka salezianina misiônera tany Chine tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20 izy io. Vao 12 taona monja izy no nalefan'i Don Bosco hanohy ny fianarany tany Turin. Avy eo izy niditra tao amin'ny Fikambanana Salezianina ary nandalina ny filôzôfia tao amin'ny Oniversite Gregôrianina tao Roma. Ny 21 desambra 1885 izy no nohamasinina ho pretra ary voatendry hitantana ny trano sy ho "maître des novices" tao Genzano tao Roma nandritra ny 09 taona.

Isan'ireo misiônera salezianina voalohany nandeha tany Chine tamin'ny 07 janoary 1906 izy. Tonga tao Macao izy ary nandray ny laharana maha eveka ny 09 janoary 1921 mba afahany mitantana ny "Vicariat apostolique" tao Shiu Chow tao Shaoguan any amin'ny faritr'i Guangdong, 221 km miala an'i Canton. Nampianatra katesizy izy tao, nanokatra sekoly sy nanorina seminera maro na teo aza ny olana sy fankahalana arahana herisetra nataon'ireo mponina sasany tamin'izny toerana izany.

Ny faran'ny volana janoary 1930, nanapa-kevitra ny hanao fitsidihana pastôraly tany Lin Chow izy niaraka tamin'i Mompera Callisto Caravario sy ankizivavy telo izay haterina any amin'ny fianakaviany. Kanjo, rehefa niainga tao Ling Kong How ny sambo nandehanan'izy ireo ny 25 febroary dia notamihan'ny jiolahin-tsambo. Saika hoviravirain'ireo jiolahy izy telo mirahavavy fa narovan'i Luigi Versiglia sy i Callisto Caravario. Tamin'izay indrindra izy mirahalahy ireto no notifirin'ireo jiolahy ka maty.

Callisto Caravario

I Mompera Callisto Caravario indray, araka ny efa nambara teo hoe salezianina izy, dia teraka tao Turin ny 08 jona 1903. Niditra tao amin'ny Fikambanana Salezianina ny aogostira 1918 ary nanonona ny voady voalohany tao ny 19 septambra 1919. Nihaona tamin'i Mgr Luigi Versiglia izy ny taona 1922 ka nilaza taminy ny faniriany hiara-dalana aminy any Chine. Ny 16 janoary 1925 no tonga tany Chine izy rehefa avy namita iraka tany amin'ny nosy Timore nandritra ny roa taona. Tonga tao Shangai i Callisto Caravario ary nohamasin'i Mgr Luigi Versiglia ho pretra ny 18 mey 1929. Nirahina hitory ny Vaovao Mahafaly tany amin'ny faritr'i Lin Chow izy ary ny taona 1930, niaraka tamin'io evekany io i Callisto nanao ny fitsidihana tany amin'io faritra io ka maty novonoin'ny jiolahin-tsambo niaraka izy mirahalahy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...