01 aprily — Teraka tao Châteauneuf-sur-Isère tamin'ny taona 1053 i Masindahy Hugues. Pretra tao Valence teo amin'ny faha-20 taonany izy fa tamin'ny taona 1080 kosa izy no notendrena ho eveka tao Grenoble.

Ny tena nahamaimay fo azy dia ny fahafahan'ny Fiangonana sy ny fanamasinam-piainan'ny pretra. Kivy anefa izy fa nanjaka tao amin'izany diôseziny izany ny fanaparam-pahefana sy ny fitondran-tena tsy mendrika nataon'ireto pretrany ireto. Niezaka namerina sy namelona ny finoana ary nanitsy ireo pretra tamin'izany fitondran-tena tsy mety izany i Hugues fa tsy nisy vokany. Hany heriny, nandeha nisintaka tany amin'ny trnao fitokana-monina tao Chaise-Dieu izy, fa raha vao henon'ny papa izany dia nasainy niverina tany amin'ny diôseziny izy mba hanavotra ny fanahin'ireo ondriny.

Taona vitsy taorian'izay no nananganan'i Masindahy Bruno, fikambanana relijiozy antsoina hoe Chartreuse tao amin'io diosezin'i Hugues io, ary matetika i Hugues no mandeha mamangy sy miaraka amin'izy ireo satria tiany dia tiany izany hoe mitoka-monina, sy manana fiainan-tsamirery izany. Zarany aza mitoetra irery any, fa rehefa tsinjon'i Bruno izany, dia izy mihitsy no voatery niteny amin'i Hugues hoe : "Mandehana mba jereo ny ondrinao fa mila anao izy ireo, omeo azy izay tokony ho azy". Dia lasa i Hugues niverina any amin'ireo ondriny. Na dia teo aza izany fahakiviana nahazo an'i Hugues teo anatrehan'ny zava-mitranga teo amin'ny diôseziny izany, dia nahavita nanavotra fanahy maro izy noho ny herin'ny fahamasinany. Ny fampianarana nataony dia nanohina fon'olona maro, indrindra fa ao amin'ny trano fikônfesena, matetika izy no miara-mitomany amin'ireo olona tonga mikônfesy ao, fa izany fihetsiny izany sy ny fampianarana nataony dia nahatonga ireny olona ireny hiova fo sy hiova famindra eo amin'ny fiainana.

Ny hatsaram-panahy nampiavaka an'i Masindahy Hugues dia ny fanetren-tena sy ny asa fiantrana. Tiany mihitsy ny manampy ireo mahantra sy fadirovana, hany ka vitany ny mivarotra ny fananany, eny fa na dia izay ilainy amin'ny maha mpisorona azy aza, ohatra ny kalisy, ny peratra maha eveka azy, amidiny ireny mba hamonjena sy hanampiana ireo mahantra. Niady mafy hatrany i Masindahy Hugues tamin'ny fiarovana ny tombon-tsoan'ny Fiangonana. Azo heverina fa oha-piainana ary azo alain-tahaka amin'i Masindahy Hugues ny zotom-po sy ny faharetana eo amin'izay rehetra atao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...