24 aprily — Ny Fidèle resahana eto dia ilay avy any Sigmaringen. Teraka ny ôktôbra 1578 tao Sigmaringen i Fidèle. Marc Roy no tena anarany. Noheverina fa nianatra tao amin'ny sekolin'ny zezoita tao Fribourg izy, avy eo nandalina ny filôzôfia tao Strasbourg ary namarana sy nahazo ny mari-pahaizana momba izany ny taona 1601.

Nandalina ny lalana sy ny lalan'ny Fiangonana ihany koa izy tao Fribourg-en-Brisgau ary namarana izany ny taona 1611. Ny taona 1604 ka hatramin'ny 1610 dia nisy tanora telo lahy izy nitety an'i Italie, France, Espagne, ary nandritra izany taona izany izy ireo dia nanome ohatra tsara tamin'ny faharetana amin'ny fikarakarana ireo marary any amin'ny trano fitsaboana, na mamangy fiangonana, na mitsidika tranom-bakoka ihany koa, teo ihany koa ny fanampiana ny mahantra ka manome hatramin'ny akanjony aza. Napetrak'izy ireo teo am-pelatanan'i Masina Maria ny zavatra rehetra ary maka fotoana lava mihitsy izy ireo handinihana izny mistery izany.

Rehefa tafaverina izy ireo, dia nanamafy sy nandalina misimisy kokoa ny fahalalana momba ny lala tao Dillingen izy ary niofana ho mpisolovava. Rehefa nahazo ny mari-pahaizana Utriusque Iuris izy dia voatendry ho mpisolovava mpanolo-tsaina tao amin'ny Lapan'ny Fitsarana tao Autriche ny taona 1611. Nilaozany io asa io noho ny fomba tsy mendrika sy ny kolikoly nanjaka tao amin'ny fitsarana. Lasa izy nanao pretra, ary nohamasinina tao Constance tamin'ny taona 1612. Iray volana tao aorian'io dia niditra tao amin'ny fikambanana Capucin izy ary naka ny anarana hoe Fidèle de Sigmaringen ny 04 ôktôbra 1612, 35 taona izy tamin'izay.

Noho ny fahalalany momba ny fiainam-piangonana dia mpampianatra nanana ny lazany sy maha izy azy i Fidèle, izy rahateo lasa lehiben'ny ankohonam-piainana. Maro ireo toerana izay nandraisany izany andraikitra izany. Tao Reinfeld izy tamin'ny taona 1618 ka hatramin'ny 1619, avy eo tao Feldkirch ny taona 1619 hatramin'ny 1620. Nifindra tany Fribourg indray izy ny taona 1620 hatramin'ny 1621, avy eo izy naverina indray ho lehiben'ny ankohonam-piainana tao Feldkirch tamin'ny taona 1621 hatramin'ny 1622. Nitory ny Vaovao Mahafaly tamin'iny faritra iny i Fidèle ary nifanehitra tamin'ireo mpivoy ny protestantisma tamin'izany.

Ny taona 1622 àry, dia niatrika ireo Capucins nalefa hanao iraka any amin'ireo Grisons izy, ary tamin'izy nitory teny tao amin'ny fiangonana Seewis, nandritra ny Sorona Masina, dia nisy miaramila roa avy amin'i Zwingli, nikapoka ny lohany tamin'ny sabatra ny 24 aprily 1622. Tamin"izay no nilazany hoe : "Andriamanitra ô ! Mamelà heloka ireo fahavaloko. Tsy fantany izay ataony. Jesoa Tompo ô ! Mamindrà fo amiko. Maria Renin'i Jesoa ô ! Tahio amin'ny fiadiana aina aho". Natahotra ireo mpampiely ny fampianaran-diso sao mbola tsy maty i Fidèle ka norotidrotehin'izy ireo ny vatany, ary notapahiny ny ranjony havia sy ny lohany. Noviravirain'izy ireo nandritra ny andro manontolo ny vatany mandram-pahatongan'ireo mpitandro ny filaminana. Rehefa avy nivavaka ho an'i Fidèle izy ireo, dia nahatsapa fa nahazo fandresena lehibe satria nibebaka ilay mpitondra fivavahana protestanta nanatrika ny famonoana azy.

Nagatahan'ny Capucins tao Weltkirchen ny vatany, ary nafindra ny 13 ôktôbra 1622. Mbola tsy niova izy tamin'izany, ary ny 18 nôvambra no nentina tao amin'ny katedraly. Tao aorian'ny fahagagana maro tao aorian'ny nahafatesany dia nankatoavin'ny papa Benoît XIII ny fanandratana azy ho olontsambatra ny 12 marsa 1729, ary ny papa Benoît XIV no nanandratra azy ho olomasina ny 29 jona 1746.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...