28 aprily — I Masindahy Pierre Marie Chanel dia teraka tao Cuet, kaominina Montrevel-en-Bresse, ny 12 jolay 1803. Zaza fahadimy amin'ny valo mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Claude François Chanel no rainy, ary i Marie Anne Sibellas no reniny. Tantsaha izy ireo.

Teo amin'ny faha-7 ka hatramin'ny faha-12 taonany dia niandry ondry no nataon'i Pierre Marie Chanel. Nianatra tao amin'ny sekoly Saint-Didier-d'Aussiat izy, ary nanohy izany tany Cras ny taona 1814. Ny 23 marsa 1817 no nandray ny kômonio voalohany i Pierre Chanel, ary ny famakiana ny tantaran'ny fanararaotana ireo misionsera avy tany Amérique, iraka nalefan'i Mgr Dubourg tamin'izany fotoana izany, no nanintona azy sy nampitsiry ny faniriany hanao misiônera. Ny 1819 àry, dia nilaozany i Cras ka lasa izy niditra tao amin'ny seminera zandriny tao Meximieux ary nianatra tao hatramin'ny taona 1823. Nahazo valisoa sy fankasitrahana hatrany izy tamin'ny fahaizany ny lahatsoratra latina sy ny foto-pampianarana kristianina ary ny lahateny amin'ny fiteny frantsay. Avy eo izy, nanohy ny fandalinana teôlôjia tao amin'ny seminera zokiny tao Brou. Ny 25 jolay 1827 izy no nohamasinina ho pretra ary nanampy ny pretra tao Ambérieu-en-Bugey. Avy eo izy lasa curé tao Crozet.

Efa-taona tao aorian'izay, izany hoe ny taona 1831, dia niditra tao amin'ny fikambanan'ny pretra Société de Marie izy, na ilay antsointsika hoe Maristes, ary nandritra ny dimy taona izy dia nampianatra tao amin'ny seminera zandriny tao Beley, Ka ny taona voalohany tamin'izany dia nampianarany ny kilasy fahenina. Ny roa taona tao aorian'izay kosa dia mpitantana ara-panahy sy niandraikitra ny fitantanam-bola amin'io ankohonam-piainana io izy, ary ny roa taona farany dia lasa lefitry ny lehiben'ny ankohonam-piainana nisy azy izy. Ny fanirian'i Pierre Chanel dia ny ho any Etats-Unis, ho misiônera, fa ny papa Grégoire XVI kosa, naniry mafy ny handefa misiônera tany Océanie ary nankininy tamin'ny Société de Marie io iraka io. Nanolo-tena i Pierre Chanel ho amin'izany iraka izany, ka ny 24 desambra 1836 no nandray ny sambo La Délphine tao Havre niaraka tamin'i Mgr Pompallier, Vikeran'i Océanie Occidentale. Naharitra 10 volana ny dian'izy ireo nihazo ny nosy  Futuna. I Mgr Pompallier moa nanohy ny diany nankany Nouvelle Zélande, fa i Pierre Chanel sy ny namany roa kosa nijanona tao Futuna ka ny 08 desambra 1837 no nakalazany ny Sorona Masina voalohany tao amin'io nosy io.

Nanditra ny roa taona dia nampiantranoin'ny mpanjaka Niuliki izy ireo. Nianaran'izy ireo ny fiteny tao, ary nanao batemy ireo ankizy ambavahaonan'ny fahafatesana izy. Vao nahatsapa izy ireo fa afaka mitory teny dia natombony ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, nezahany ny niady tamin'ireo fomban-tany manohintohina ny ain'olombelona, anisan'izany ohatra ny fihinana olona na ny anthropophagie... tamin'izany no nanomezan'ny olona tao an-tanana anaram-bositra an'i Pierre Chanel hoe "ilay olona tena tsara fo". Na dia teo aza ny sakatsakana dia nitombo hatrany ny fibebahana ho amin'ny fanarahana ny fivavahana kristianina. Tsy nankasitrahan'ny mpanjaka Niuliki izany ka naatony ny fampiantranoana sy ny fanomezana sakafo an'ireo misiônera. Mba ahafahan'ireo misiônera mivelona dia tsy maintsy namboly mangahazo izy ireo, ary nisy ireo mponina no nisompatra izany asan'izy ireo izany. Rehefa tena sahirana ireo misiônera dia hatramin'ny alikany dia nataony sakafo.

Nisy nandrahona ho faty izy, fa hoy i Pierre Chanel hoe : "Efa mitsiry eto amin'ity tany ity ny fivavahana, ka tsy ny fahafatesako akory no hahavery azy, satria tsy asan'olombelona io fa avy amin'Andriamanitra". Ny zanaky ny mpanjaka moa rehefa nandre ny fampianaran'ireo misiônera ireo, dia nibebaka ampahibemaso ary lasa kristianina. Tsy nahafaly an'i Niuliki mpanjaka izany ka nanapa-kevitra izy fa hofoanany ity fivavahana manohintohina ny fahefany ity. Ny 28 aprily 1841 àry, raha nisandratra iny ny andro, dia nisy antokon-dehilahy maro, notarihin'ny vinantolahin'i Niuliki, nirongo fitaovam-piadiana toy ny tsipika, sy ny famaky, nananika ny tranon'i Pierre Chanel sy ireo misiônera namany. I Pierre Chanel irey no tao an-tanana tamin'izay. Niditra an-keriny tao an-jaridaina izy ireo ary nandroba sy namono azy. Rehefa vitan'izy ireo ny asa fandrombana dia hitany fa mbola niaina ity pretra ity, ka nokapohin'i Musu-Musu, ilay vinanton'i Niuliki, tamin'ny famaky ny hatok'i Pierre Chanel. Raha tsy maty tokoa ny voa nafafy, tsy hamokatra zato heny, satria volana vitsy tao aorian'ny namonoan'izy ireo an'i Pierre Chanel dia nibebaka ny mponina tao Futuna ka lasa kristianina, ary tao anatin'izany ireo namono an'i Pierre Marie Chanel. Ny papa Pie XII no nanandratra azy ho olomasina ny 12 jona 1954. Ny tarigetran'i Pierre Chanel dia ny hoe : "Mitia an'i Maria, sy mampitia ny olona an'i Maria".

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...