29 aprily — Teraka tao Sienne ny 25 marsa 1347 i Catherine Benincasa. Nambara fa io andro io dia sady fankalazana ny Annonciation no Sampankazo ihany koa. Vao 5 taona monja i Catherine, izany hoe ny taona 1352, dia nahazo fisehoana, dia ny fisehoan'i Kristy Mpanjaka.

Tamin'izay fotoana izay izy no nanao ny voadin'ny fahadiovana sy nanolo-tena tanteraka ho an'Andriamanitra, fiainana izay tsy nankasitrahan'ny ray aman-dreniny loatra. Teo amin'ny faha-15 taonany izy no nisalotra ny fanamian'ny masera Pénitence de Saint Dominique, na nantsoina ihany koa tamin'izany hoe Mantellate, ary tao aorian'ny nahafatesan'i Bonaventura rahavaviny dia nanomboka ny fiainana amin'ny famolahan-tena izy. Ny 1368, niverina tamin'Andriamanitra ny rainy ary Catherine nanao mariazy tamin'i Kristy. Izy ihany koa no nanavotra ireo anadahiny tamin'ny fanonganam-panjakana tao Sienne. Roa taona tao aorian'izay dia natolony an'i Kristy ny fony mba ho an'ny Fiangonana. Noho ny fiainany feno fahagagana tsy takatry ny saina dia vetivety izy dia fantatry ny olona tao an-tanana. Tamin'ny fotoana nandehanany tany Florence ny taona 1374 no nihaonany tamin'ny P. Raymond de Capoue, ary io lasa mpitantana azy am-panahy.

Nanomboka ny taona 1375 ny fiainana nisehoany vahoaka tamin'ny fiarovana ny tombon-tsoan'ny papa, ny tebiteby tamin'ny fisaraham-bazana teo amin'ny Fiangonana ka niezahany hatrany tamin'ny fampiombonana sy ny fahaleovan-tenan'ny Fiangonana izany, ary teo ihany koa ny famerenana ny papa tao Avignon ho any Roma. Nihaona tamin'ny papa Grégoire XI tao Avignon izy, ary nisy fiantraikany lehibe teo amin'ny fiainan'ny Fiangonana io fihaonana io, satria ny septambra 1376 dia niverina nihazo an'i Roma ny papa Grégoire XI. Notohizan'i Catherine ihany io asa maha masoivohon'ny papa azy io tany Italie, tanana izay mbola nisy ny korontana noho ny ady manohitra ny papa tamin'izany fotoana izany, ary nirahana izy mba hifampiraharaha amin'i Florence. Nangataka ny tao Florence i Catherine mba hankatoa ny papa. Fifampiraharahana niarahana tamin'ireo tompomenakely tao Milan io. Niato izany fifampiraharahana izany tamin'ny 27 marsa 1378, noho ny fahafatesan'ny papa Grégoire XI.

Rehefa nodimandry ny papa Grégoire XI, dia i Urbain VI indray no voafidy handimby azy ny 08 aprily 1378. Nandefa solontena indray ny tao Florence mba hifampiraharaha tamin'io papa vaovao io. Dimy volana tao aorian'io dia nisavorivory indray ny fiainan'ny Fiangonana. Niady ihany i Catherine mba hankatoavina ny papa Urbain VI. Nanoratra taratasy tany amin'ny papa Urbain i Catherina nilaza fa zava-dehibe ary maika ny fandravonana ny fifandonana amin'i Florence mba hampisy ny fiadanana. Mba hanalefahana ny fikomiana sy ny fifanenjanana tao Vatican dia nandefa sampan'oliva tany Florence ny papa ny 18 jolay 1378, ho famantarana ny faniriany hiavana amin'i Florence. Ny 28 jolay 1378 no voasonia io fifanarahana io ary nanala ny fandrarana sy ny fampitsaharana ny ady.

Ny 02 aprily 1379 i Catherine no niverina tany Sienne. Efa nihaosa izy, ka niangavy ireo relijiozy sy mpitoka-monina mba hiaro ny papa, ary lasa nitoetra tany Roma izy. Trotrak'ireo fiebebahana sy famolahan-tena nataony nandritra ny fiainany i Catherine ka nandao ireo namany ho any amin'ny mandrakizay ny 29 aprily 1380, teo amin'ny faha-33 taonany. Natrehan'ny papa ny Sorona Masina fanaovam-beloma azy farany tao amin'ny bazilika Santa Maria sopra Minerva.

Ho an'i Catherine, ny fianam-panahy dia fiombonana amin'Andriamanitra, io no lalan'ny marina. Nambarany ihany koa fa ny fijalian'i Kristy no fototra ahafahana mahalala an'Andriamanitra, ary araka ny soratra navelany dia misy dingana telo ny fianam-panahy. Eo ny fitiavana ny fijalian'ny Tompo ho toy ny mpitari-dalana eo amin'ny fianam-panahy, toa izany ihany koa, io fitiavana io no mahatonga hanahaka an'i Kristy amin'ny alalan'ny famolahan-tena, ny fahafoizana, ny fibebahana ary ny vavaka sy ny fanompoana ny hafa mba hitovy amin'i Kristy sy ny sorona teo ambony hazofijaliana, ka ho lasa "Alter Christus", izany hoe "i Kristy hafa". Ny fahatelo dia ny faniriana ny hazofijaliana, izany hoe ny fangirifiriana eo amin'ny fiainana andavanandro, iaretana izany, tsy ho an'ny tena fa ho an'ny hafa ihany koa. Ary farany dia ny fo no fonenan'ny Trinite Masina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...