01 mey — Masindahy Joseph mpiasa, Masindahy Joseph mpandrafitra, tsy iza akory io fa ilay Masindahy Joseph mpitaiza an’i Jesoa tao Nazareta, izay efa noresahin-tsika teto tamin’ny 19 marsa. Fa ny voalohan’ny volana mey dia nankalazaina sy natokana ho azy, fa natokana ho an’ny mpiasa ihany koa, noho ity olomasina ity mpiaro ny mpiasa maneran-tany.

Ny papa Pie XII no nanokana ity andro fanajana an’i Masindahy Joseph mpiasa ity tamin’ny taona 1955. Noho izy nampianatra ny zanak’Andriamanitra ny fahamendrehan’ny olombelona tao amin’ny asa. Noho izany dia fety telo no ankalazaintsika, eo ny fetin’ny Fiangonana, fetin’ny fianakaviana ihany koa, fa indrindra indrindra, fetin’ny asa, fetin’ny mpiasa ary fetin’ny toerana hiasana ihany koa. Ny lahatsoratra momba ny Sorona Masina sy ny vavaka mifandraika amin’io fankalazana an’i Masindahy Joseph mpiasa io dia navoakan’ny Congrégation des rites tamin’ny 24 aprily 1956.

Ny fisian’ny Jesoa tao Nazareta niaraka taminy dia nampianatra an’i Joseph ny vidin’ny asa mafy, toy ny fanonerana ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra nataon’ny olombelona, izany hoe : natorony ny anjara toeran’ny asa andavan’andro eo amin’ny asam-pamojena, miasa miaraka amin’Andriamanitra Mpahary sy i Jesoa amin’ny fanavotana izao tontolo izao. Izay no mahatonga ny Fiangonana naka ireo fety taloha haka endrika kristianina, ka ny fetin’ny asa dia natao ho eo ambany ny fiarovan’i Masindahy Joseph. Io asa nanetry tena nataony mandritra ny fiainany io, no niahian’ilay mpandrafitra ny fitaizana sy fanabeazana an’Ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo, mba hamonjy izao tontolo izao, nanetry tena teo amin’ny hazofijaliana.

"Tsy io ve ilay zanaky ny mpandrafitra ?" izany no niantsoana an’i Jesoa. I Joseph dia fantatra tamin’ny asany, tsy tia sehoseho, izy no maneho amintsika ny modelin’ny mpiasa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Modelin’ny asa izy, modelin’ny fahatokisana, modelin’ny fandraisana andraikitra, ary efa voatendry mialoha ho mpiaro sy mpiahy ny sokajin’ny mpiasa rehetra. Ny fitarihana, ny fampiharana, ny fahamatorana, ny faharetana, izany rehetra izany dia hatsaram-panahy natoron’ity mpandrafitra tao Nazarety ity antsika. Ny tena nibahana tao an-tsainy dia ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra, araka ilay teny hoe : "ny hatsembohon’ny tavanao no hihinanao", ary ny teny sy ny fihetsiny dia mampianatra antsika ny fanetren-tena, mampianatra antsika ny faharetana, mampianatra antsika ny fitiava-namana, mampianatra antsika ny famolahan-tena, ary indrindra indrindra mampianatra antsika ny asa.

Ampianarin’i Masindahy Joseph antsika fa ny asa no manala antsika amin’ny fahotana sy manamasina ny olombelona. Tadidio fa tsy ny fahombiazana no manome antsika ny fankasitrahana sy ny valisoa, fa ny ezaka izay atao eo am-panatanterahana ny asa, ary eto ambonin’ny tany, ny asa no manandratra ny olona ary miankina amin’io sy ny fomba hanatanterahana azy, sy fahaizna manao azy ny fiainan’ny olona manontolo.

Nisy vavaka izay, nataon’ny papa Pie X, mba ho fanajana an’i Masindahy Joseph sy fangataham-pahasoavana amin’ny alalany. Raha fehezina io vavaka io dia hoe :  mangataka ny fanampian’i Masindahy Joseph mba, hahazoana ny fahasoavana, hiasa ho amin’ny fanahy fibebahana hanala ny fahotana, hiasa amin’ny feon’ny fieritreretana mba hanome lanja ny adidy sy andraikitra, hiasa amim-pakasitrahana sy hafaliana mba hampivoatra ny fanomezana azo tamin’Andriamanitra, hiasa amim-pilaminana sy amim-piadanana, amim-pisainana sy amim-paharetana ka tsy hihemotra manoloana ny olana, ary hiasa amim-pahadiovam-po, tsy ho very fotoana sy hanarinary foana ny talenta fa hanao izany ho an’ny asan’Andriamanitra.

Dia toa an’i Masindahy Joseph àry no andeha hanaovantsika ny asantsika ihany koa, atao amim-pinoana ary misy fanantenana, ka ahafahana manao asa fitiava-namana mba hanova ny fiainantsika ho mendrika an’Andriamanitra. Dia hantsointsika ny Fanahy Masina hanampy antsika amin’izany, mba hanalavirantsika ny fomba ratsy manohintohina ny fanaovana izany asa izany. Dia enga anie, ny asantsika ho lasa vavaka toy ny nataon’i Masindahy Joseph. Dia izany firarian-tsoa izany ihany koa no hatolotray ho an’ireo rehetra teraka ny voalohan’ny volana mey.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...