02 mey — I Md Athanase resahina eto dia ilay Mpampianatry ny Fiangonana. Teraka tao Alexandrie ny 296 izy, nobehazina sy nampianarin’ny fianakaviany araka izay tratra, ary tsy niala tao an-tranon-drainy izy raha tsy efa ho any amin’ny tempolin’ny Tompo, hobeazin’ny eveka tao Alexandrie.

Nandritra ny fahazazany i Athanase dia niaina tao anatin’ny fanenjehana kristianina. Tamin’izy diakra moa no nanoratra ny boky hoe : Contra gentes sy Incarnatione Verbi, izay niersaka ny fampianarana manohitra ireo jentily, ary maneho ihany koa ny anton'ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Fa tamin’izy diakra io ihany koa no niaraka tamin’ny evekany nanatrika ny Konsily tao Nicée tamin’ny taona 325, ary nandray anjara mavitrika izy ka sady hery no hazavana tamin’izany, izy rahateo koa moa olona nianatra sy narani-tsaina.

Dimy volana taorin’io dia maty ilay patriarka tao Alexandrie, ka izy no voatendry nandray io andraikitra io na dia efa nolaviny sy nandositra aza. Ny volana jona 328 moa no nandraisany an’izany andraikitra izany, nanomboka teo ny adiny. Nitety ireo diosezy anakiroa tany Ariane izy, teo ihany koa moa ireo antokon’olona maro hafa nampihely fampianaran-diso. Indroa izy no nandà tsy handray an’i Arius, ary nihatrika ny fanamelohana nataon’ireo mélétiens tao Nicomédie ny taona 332, toy izany koa ny tao Césarée tao Palestine ny 333. Mbola nandà fanin-telony ny hiavana amin’i Arius ihany koa izy, ka niakatra tao amin’ny Konsily tao Tyr ny 335, mba halaina am-bavany izay tsy nahitany afa-tsy ny fahavalony no nanatrika azy tao.

Nandositra tany Constantinople àry izy fa nalefan’ny amperora an-tsesitany tany Trèves. Raha mbola tany an-tsesitany izy dia nihamafy ny korontana tao Alexandrie, fa tsy nisy sahy nanendry izay ho mpandimby an’i Athanase tao. Rehefa maty i Constantin I, ny 22 mey 337, dia naverin’i Constantin II tamin’ny dioseziny i Athanase, ny 17 jona 337, ka ny 23 novambra izy no tonga tao. Ireo ariens nefa nifidy an’i Grégoire tao Cappadoce, izay notohanan’ny préfet tao Egypte mba hiandraikitra ny Fiangonana tao Alexandrie.

Dia niala tao indray i Athanase ny 339, niverina tany Roma izy, ary nandritra ny Konsily notarihin’ny papa Jules I dia nomena alalana izy handray ny andraikiny, nefa tsy maintsy miandry ny fahafatesan’ilay eveka teo aloha, izay naka ny toerany. Niverina tao amin’ny dioseziny i Athanase ny 21 ôktôbra 346. Nisy indray ny fifandonana ka voaroka tao Alexandrie indray izy ny 356, ary nihalokaloka tany ambanivohitr’i Egypte mandram-pahafatin’ny amperora, izay nodimbiasan’i Julien, ka i Julien izany no namerina an’ireo voasesitany rehetra ny 361. Ny 21 febroary 362 i Athanase no niverina, fa ny 23 ôktôbra 362 indray izy dia efa nalefa sesitany.

Maty an’ady i Julien ka nodimbiasan’i Jovien, izay dia tena mpino katôlika ary io no niantso an’i Athanase hiverina ao amin’ny dioseziny. Maty tampoka anefa i Jovien ka i Valentinien indray no nandimby azy, arien izy io. Noroahin’io indray i Athanase ny 5 ôktôbra 365, fa io ihany anefa no namerina azy hiverina tao amin’ny dioseziny ny 01 febroary 366. Dia nodimandry ny alin’ny 02 mey 373 moa i Athanase.

I Md Athanase raha ireo fandroahana sy ady nataony tamin’ireo mpampihely fampianaran-diso dia tsy mba resy tamin’ny ady natrehiny, ary niasa taminy hatrany ny herin’ny Fanahy Masina. Maro ireo fitsarana natrehiny teo anatrehan’ny Konsily. Ohatra amin’izany, nandritry ny Konsily dia nohelohina izy fa nanala baraka vehivavy manan-kaja iray, nahita fomba anefa izy nanehoana fa tsy fantany ary tsy mbola nahita maso an’io vehivavy io izy, fa noheveriny ilay vehivavy fa iray amin’ireo pretra fantany. Tamin’io Konsily io ihany no nanamelohana azy ho namono ilay eveka nantsoina hoe : Arsène, ary nanapaka ny tanan’io ankavanana, ary nisy nitondra tao mihintsy moa ilay tanana nefa tamin’io fotoana io niantsoana an’i Athanase dia niseho teo i Arsène, velona mbola teo daholo ny tanany roa. Indray andro ihany koa, nisy nanaraka izy ka nandositra tao anaty sambo, somary nihodina kely izay izy avy eo nifanehitra tamin’ireo fahavalony, nanontany azy ireo hoe : "nahita ny evekan’i Alexandrie ve ianao ?", fa novaliany hoe : "Mandehana araho fa lasa any izy, mbola tsy lasa lavitra akory izy izay". Dia toy izany hatrany no nandresen’i Athanase ireo olona nanenjika azy teo amin’ny asany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...