03 mey — I Masindahy Philippe dia teraka tao Bethsaïde akaikin'ny farihy ao Tiberiade toa an-dry Pierre sy André. I Masindahy Jacques resahina eto dia ilay antsoina hoe : Jacques le Mineur, na azo atao amin'ny teny malagasy hoe : Jacques zandriny. Mba hanavahana azy amin'i Jacques le Majeur no hiantsoana azy tahaka izany.

Masindahy Philippe

I Masindahy Clément d’Alexandrie, araka ny fomba fahiny, dia nihevitra an'i Philippe ho ilay tovolahy niangavy mba handevina ny rainy talohan'ny nanarahany an'i Jesoa, ka novalian'i Jesoa hoe : "Aleo ny maty handevina ny maty", io ilay tantarain'i Masindahy Matio 8, 22 ; na ao amin'ny Masindahy Lioka 9, 60. Araka ny fitantaran'ny Vaovao Mahafalin'i Masindahy Joany 1, 43-51, dia azo heverina fa mpianatr'i Masindahy Joany Batista i Phillipe, talohan'ny niantsoan'i Jesoa azy, ary izy ihany koa no nitarika an'i Nathanäel, na i Barthélémy, hanaraka an'i Jesoa.

I Philippe ilay nanontanian'i Jesoa hoe : "Aiza no hividianantsika mofo ho an'ireo vahoaka ?", talohan'ny fampitomboana ny mofo, araka ilay voalaza ao amin'ny Vaovao Mahafalin'i Masindahy Joany 6, 5-7. Tamin'i Philippe ihany koa ireo jentily no niangavy mba hanatona ny Tompo, araka ny ambaran'i Masindahy Joany 12, 21-22. Izao no voalaza ao amin'io andalan-tSoratra Masina io hoe : "Nisy jentily sasany, anisan'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro fety, nanatona an'i Philippe izy ka nihanta taminy nanao hoe : Tompoko, mba te hahita an'i Jesoa izahay". Fa nisongadina ihany koa i Philippe tamin'ny sakafo niarahan'i Jesoa farany tamin'ny mpianany, azontsika jerena ao amin'i Masindahy Joany 14, 7-12, indrindra fa ilay andininy faha-8 manao hoe : "Asehoy anay ny Ray Tompo, dia ampy ho anay izany".

Araka ny lovan-tsofina dia nitory ny Vaovao Mahafaly tany Scythes i Philippe, ary maty tao Hiérapolis any Phrygie. Efa antitra be izy, ary tao ihany izy no nalevina, araka ny voalazan'i Eusèbe tao Césarée. Misy ihany koa anefa ireo milaza fa maty martiry tamin'ny andron'i Domitien na i Trajan, i Philippe rehefa avy nampijaliana ary nofantsihana tamin'ny hazofijaliana. Fa azo heverina izany ny hoe, na dia efa antitra aza izy dia nampijaliana ho martiry. Tantara izany, samy manana ny fomba filazany ny mpahay tantara, fa isika kosa dia mihezaka milaza izay voasoratra ao anatin'ny tantara.

Fa rehefa mijery tahirin-kevitra isika dia matetika no ampiarahana amin'ny sarin'i André ny sarin'i Philippe, noho izy ireo samy mitondra ny anarana grika, sy teraka tao Bethsaïde. Fa ny hanavahana an'i Philippe dia izy mitondra ny hazo fijaliana namonoana azy, raha heverina fa martiry izy. Ary indraindray ihany koa dia ahitana mofo miaraka amin'ny sarin'i Philippe, hatsiarovana ilay andraikiny tamin'ny fampitomboana ny mofo. Ambara fa i Masindahy Philippe no mpiaro ny mpanao mofomamy, na ny pâtissiers izany, izy ihany koa no mpiaro sy mpivavaka ho an'ireo mpivarotra sy mpanao satroka.

Masindahy Jacques

Zanak'i Alphée i Jacques ary rahalahin'i Jude, avy ao Nazareth. Zanak'olo-mpirahavavy izy sy i Jesoa, ary i Jacques no eveka voalohany tao Jerosalema. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia nahazo fisehoana manokana tamin'i Jesoa izy, tao aorian'ny fitsanganan-ko velona, araka ny ambaran'i Masindahy Paoly ao amin'ny 1 Korintianina 15, 7. Izao no voalaza ao hoe : "Rehefa izany dia niseho tamin'i Jakoba izy vao ny apôstôly rehetra".

Noho izy eveka tao Jerosalema dia nanana fahefana sy nahazo fanajana manokana i Jacques. Ohatra amin'izany ny nataon'i Pierre, raha vao afaka tany am-ponja izy dia i Jacques no notadiaviny voalohany, hitantarana ny nanafahan'ny Tompo azy. Izany dia tantarain'ny Asan'ny Apôstôly 12, 12-17 manao hoe : "Ambarao amin'i Jakoba sy ireo havana iray finoana izany". I Jacques ihany koa no nanaraka ny iraka nataon'i Masindahy Paoly, araka ny fitantarany ao amin'ny taratasy ho an'ny Galata 1, 9 sy ny 2, 9 ihany koa. Tamin'ny Kônsily tao Jerosalema dia i Jacques no namehy ny lahatenin'i Masindahy Pierre sy namaha ny olana tamin'ny fampibebahana ny jentily, araka ny voalazan'ny Asan'ny Apôstôly 15, 13-21, ary tao amin'i Jacques ihany koa i Paoly no nitatitra ny iraka notanterahiny tamin'ny diany tao Jerosalema.

Hitantsika ao amin'ny Asan'ny Apôstôly 21, 18. 19, ary ao amin'ny Testamenta Vaovao dia izy no voalaza fa nanoratra ny Taratasy Katôlika nosoratan'i Masindahy Jakoba. Araka ny filazan'ny mpahay tantara antsoina hoe Flavius Joseph sy Eusèbe de Césarée dia maty martiry i Jacques ny 10 aprily taona 62.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...