07 mey — Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Flavie, zanak’i Domitilla sy Quintus Petillius Cerialis izy ary dadatoany ny amperora Domitien. Nanambady an'i Titus Flavius Clemens i Flavie ary niteraka roa lahy izy ireo. Samy Titus Flavius no anaran’ireo zanany ireo, teraka ny taona 88 ny voalohany ary ny taona 90 ny faharoa, ka i Quintilien no nanabe an'ireo zanany ireo.

Masindahy Nérée sy Achillée mpanompony moa no nampibebaka an'i Flavie. Indray andro izay, izy mirahalahy ireto, raha nahita an'i Flavie avy nisehoana sy nanateram-body ondry dia very hevitra izay tsy izy, fa nandresy lahatra an'i Flavie ny hoe tsy mendrika ny hanambady olona mety maty ianao, satria noheverin'izy ireo fa hanokan-tena ho an'i Jesoa Kristy no mety ho an'i Flavie. Nampiheritreritra an'i Flavie izany ka nihaino tsara izay nambaran'izy mirahalahy ireto izy, nohararaotin'izy roalahy izany fahavononan'i Flavie nihaino izany ka, nohazavainy fa ny fivavahana sy ny finoany an'i Jesoa Kristy dia ahazoana harem-be tsy azo ety an-tany, nohazavazavain'izy ireo azy ny haratsian'ny havonavona noho ny voninahitra sy ny harena ety ambonin'ny tany, nambaran'izy ireo ihany koa ny soa azo sy ny valisoa ho an'izay mitana ny fahavirijinina, ka tokony ho lavin'i Flavie ny hanambady an'i Aurélien, ary tsy tokony hanambady afa-tsy Jesoa Kristy ihany i Flavie. Toa resy lahatra i Flavie hanapaka hevitra tsy hanambady afa-tsy i Jesoa, ary nilaza tamin'izy roa lahy ireto hoe, hanome azy ny famantarana ny maha kristiana sy ny maha virijiny handraisany an'izany fahasoavana izany, dia ny tso-drano sy ny voaly nomen'ny eveka moa no famantarana izany hoe fanoloran-tena ho an'i Jesoa Kristy izany.

Hafaliany ny azy mirahalahy ireto nahare izany ka lasa izy, i Nérée sy i Achillé io, niholomay nakany amin'ny papa Clément, izay nandimby an'i Piera, nilaza izany fikasan'i Flavie izany. Nisaotra an'Andriamanitra ny papa Clément, ary nankany amin'i Flavie izy sy nanadihady azy fatratra hoe : "Efa nosaininao tsara ve ry zanako ny ady mafy hatrehinao ao aorian'izao ? Manana herim-po ve ianao mba hitondra fandresena ? Fantatrao ve i Aurélien, izay tezitra noho ny fandavanao azy, dia tsy maintsy hitory anao any amin'ny amperora amin'izany maha kristianina anao izany, ny amperora izay manohitra ny finoanao ? Na ianao, na izahay dia afaka hiala amin'izany hoe martiry izany ?" Dia hoy ny navalin'i Flavie hoe : "Ka tsy izany ve no hasambarana tsara indrindra ho azontsika ? Tsy ny herin'ny tenako loatra anie no hianteherako, fa miandry ny fahasoavana faratampony avy amin'ilay vadiko avy any an-danitra aho, ary ny fanenjehana no hanampy antsika hirosa amin'ny fahasambarana sy ny voninahitra". Raha vao nahare ny fijoroana ho vavolombelona te hanokan-tena fatratra ho an'ny Tompo izany ny papa Clément dia nitso-drano an'i Flavie, ary nametraka ny voaly teo ambony lohany ho mariky ny faha virijiniany.

Tsy ela akory dia tanteraka ny ahiahin'ny papa Clément. Tezitra mafy i Aurélien, ilay nangataka an'i Flavie, ka rehefa avy nandresy lahatra tsy nahomby izy, na tamin'ny tambitamby, na tamin'ny fampanantenana, na tamin'ny fandrahonana dia nosamborony avokoa ireo rehetra noheverina fa mpanolo-tsaina sy mpanoro hevitra an'i Flavie, ka anisan'ny voasambotra voalohany tamin'izany i Nérée sy i Achillé. Naseho an'i Flavie ny fampijaliana sy ny famonoana azy mirahalahy ireto, fa tsy nampihontsona ny finoan'i Flavie izany.

Nentina tany amin'ny nosy Ponza izy, ary nanirahan'i Aurélien ankizivavy roa, Euphrosine sy Théodora, mba handresy lahatra azy. Nambaran'ireo tamin'i Flavie àry fa ny fanaovana mariazy dia tsy manakana azy tsy ho kristianina, ary hanampy azy hampibebaka ny vadiny sy ny mpanompony. Fa hoy i Flavie hoe : "Raha manokan-tena ho an'Andriamanitra aho, manokana ny fahadiovako ho azy dia lasa vadin'ilay zanany tokana, ary haharitra mandrakizay ary tsy hanam-pahataperana izany". Raha marina àry izany, hoy i Théodora, misy anadahiko tsy mana-maso, asaivo averin'izany vadinao any an-danitra izany ny masony. Tsy eo ilay anadahinao, hoy i Flavie, fa ento aty ilay mpiasanao maona fa hiasa aminy ny herin'i Jesoa Kristy ary ho resy lahatra ianareo. Tonga teo tokoa ilay zazavavy ka afaka niteny, ary ny teny voalohany nambarany dia ny hoe : "Tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy ny Andriamanitry ny kristianina". Niankohoka teo an-tongotr'i Flavie izy roa ireto nahita izany zava-mahagaga izany, ka nitolo-tena ampahibemaso fa kristianina ary nilaza ihany koa fa tsy mitady vady afa-tsy i Jesoa Kristy.

Gaga sy tezitra i Aurélien ka avy hatrany dia nakany amin'ilay consul, olon-doza sy mpanenjika ny kristianina, ary io no nampandoro ny tranon'i Flavie, izay izy telo vavy ireto, samy nihidy tao avokoa. May kila forehitra ny trano. Ny ampitson'io dia tonga ilay diakra, Masindahy Césaire, haka ny lavenon'izy telo mirahavavy ireto. Kanjo, hitany tao izy ireo mandohalika mihohoka amin'ny tany, toy ny mivavaka, ny ainy no afaka fa ny vatany tsy may na kely aza, na dia ny volony aza tsy nihintsana akory.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...