12 mey — Andeha i Md Nérée sy Md Achilée no ho resahintsika satria martiry niaraka izy ireo. Izy ireo dia mpanompon'i Masimbavy Flavie Domitilla, ary ny fitiavam-bavaka nasehony no nampibebaka an'io zanaky ny mpanjaka io, sy nahatonga azy nahatoky azy ireo.

Araka ny efa nambara tamin'ny fitantarana ny toe-piainan'i Masimbavy Flavie Domitilla tamin'ny faha-7 ny volana mey, dia izy roa lahy ireo no nandresy lahatra an'i Flavie tsy hanambady afa-tsy i Jesoa Kristy, satria i Jesoa Kristy irery ihany no manana ny fitiavana mandrakizay tsy mivadika. Noho ny fampianaram-pinoana nataon'izy roa lahy azy, no nahatonga an'i Flavie handà ny fangataham-bady nataon'i Aurélien azy, ary nangataka tamin'ny eveka mba handray ny tso-drano sy famantarana ny maha-virijiny.

Tezitra noho izany i Aurélien ka nampisambotra an'i Nérée sy Achillée, noheveriny mantsy fa rehefa azo izy mirahalahy ireto dia hiova mora foana i Flavie. Nataony daholo ny fomba rehetra hanovana hevitra azy mirahalahy ireto : teo ny tambitamby, ny fampanantenana fa tsy nampihontsona azy ireo izany ; nokapohiny, noratraina tamin'ny karavasy tamin'ny fomba feno habibiana ihany koa izy roa lahy, fa hafaliana no hita taratra teo amin'ny endriny. Very fanantenana ary ireo mpampijaly, hany herin'izy ireo dia nambara ampahabehimaso fa kristianina i Nérée sy i Achillée. Ny dikan'izany, tamin'izany fotoana izany, dia hoe : fahavalon'ny amperora sy ny fanjakana.

Teo amin'ny fitsarana àry dia noterena izy handà an'i Jesoa Kristy, ary hanolotra sorona amin'ny sampy nefa novalian'izy ireo tamin-pahamatorana hoe : "Raha ny batemy noraisinay tamin'i Masindahy Pierre, izay nazavain'ny fanilon'ny finoana, dia tsy mahalala andriamanitra hafa, hafatsy ny Andriamanitry ny Kristiana izahay. Nampalahelo anie ny fahajamban'ny tsy mpino izay niankohoka tamin'ny andriamanitra maro be avy amin'ny olom-belona e !" Gaga noho izany ireto mpampijaly noho ny valinteny hentitra sy mazava. Tezitra ilay consul ka nasainy natao teo amin'ny toerana fampijaliana indray izy ireo, notriharina ny tratrany mba haratra ary nasainy nodorana tamin'ny vy mahamay ny ratrany. Ny fampijaliana natao azy ireo dia vao mainka nampitosaka ny hafaliany, ary nampiredareda ny fitiavany an'Andriamanitra.

Izany rehetra izany no natao dia hampitahorana ireo tsy mpino, ka dia notapahina hatramin'ny lohan'izy ireo teo imason'ireo tsy mpino ireo. Ny 12 mey 908 tamin'izay, ny vatan'izy ireo dia nalevina tao amin'ny Via Ardeatina, ka ny diakra mpianany ihany no naka azy. Nanorenana trano fiangonana izany toerana izany ho tsangam-bato mandrakizay fandresen'ireo martiry ireo. I Masindahy Grégoire Lehibe no nanentana ny kristianina haka tahaka ireo olomasina ireo, sy hankahala ny fiainan'izao tontolo izao sy ny havonavona mpamitaka eo amin'ny fiainana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...