13 mey — I Masimbavy Dominique Mazzarello dia teraka tao Mornese tao Piémont tamin'ny 9 mey 1837. Enina no isan'ny iray tampo aminy. Tsy mba nisy sekoly tao an-tanana, ka dia ny rainy no nampianatra azy namaky teny sy nanisa.

Ny 1849 dia, nofidiany ho ray mpitantana am-panahy azy ny vicaire tao Mornese, i mompera Pestarino. Ny taona 1852 dia, nisy tovovavy 22 taona, nantsoina hoe : Angela Moccagno, nanorina fikambanana tovovavy izy io, hanokan-tena ho an'Andriamanitra ho amin'izao tontolo izao fa hanao ny apostolat ao amin'ny paroasy. Niditra ho mpikambana tao i Marie-Dominique, ary ny 9 desambra 1855, izy dimy mirahavavy ireo no andiany voalohany tao amin'ity fikambanana Filles de l'Immaculée io, ary nanao ny dingana fanokanan-tena ho an'Andriamanitra teo anatrehan'i Don Pistarino izy.

Ny 1860 àry, voan'ny aretina tifosy i Marie-Dominique. Rehefa sitrana izy dia tsy niverina ho toy ny taloha intsony ny tanjany, nanapa-kevitra àry izy, niaraka tamin'i Petronille, ilay namany, fa hianatra hanjaitra ka hanokatra sekoly fianarana asa, ho an'ireo tanora, eo an-tanana. Ny 7 ôktôbra 1864 dia, nandalo tao Mornese i Don Bosco, ary nolazain'izy ireo tamin'i Don Bosco izany faniriany izany, na dia tsy hainy aza no niteny izany, fa nolazainy aloha izay tao am-pony. Ny taona 1867, nifindra trano tany amin'ny sekolin'ny zazalahy vao naoriny i Don Pestarino, ka nomeny ny fikambanana Filles de l'Immaculée ny trano nitoerany. Nipetraka tao i Marie-Dominique niaraka tamin'ireo namany telo, niara-nonina tao izy ireo, ary iray trano nantsoina hoe : Maison de l'Immaculée, io trano io. Dia sady toerana fianaran-jaitra, no fitaizana zaza kamboty no fiahiana ireo zaza sahirana ihany koa. I Marie-Dominique no mpiandraikitra azy ireo.

Rehefa nifampiresaka tamin'i Don Bosco izy ireo, ary notoroany hevitra, hanokan-tena ho relijiozy dia nanaiky, ka ny 29 janoary 1872, teo anatrehan'i Don Pestarino, dia nivory ireo mpanorina ny fikambanana Filles de l'Immaculée et de Marie Auxiliatrice, nijery akaiky ny fitsipika naroson'i Don Bosco. I Marie-Dominique no voafidy ho lehiben'izy ireo, nofidian'izy ireo ho lehibe faratampon'ny fikambanana i Don Bosco tamin'izany. Dia niasa tao amin'ny fikambanana ny Fanahy, ka nitombo ny fiantsoana ; naonorina ankohonam-piainana hafa tao Italie, ary nanao iraka tany ivelany ihany koa : misionera tany Amerika Latina, tany France, Nice, Marseille, Saint-Cyr, Navarre. Ary ny taona 1879 dia, natao trano foibe ny tao Nizza Monferrato.

Voan'ny pneumonie i Marie-Dominique ny fiatombohan'ny taona 1881, tonga tao France izy, niara-dia tamin'ireo misionera nandray sambo tao Marseille, narary tao Saint-Cyr, afaka nody tany Nizza ihany anefa izy, ary nodimandry ny faha-14 ny volana mey 1881, teo amin'ny faha-44 taonany. Sivy taona taorian'ny nanorenana azy, dia nahatratra 139 ireo relijiozy tao amin'ny fikambanana Filles de Marie Auxiliatrice, ary tamin'izany dia 50 ny novices ary niparitaka tamin'ny ankohonam-piainana 26 ireo relijiozy 139 ireo. Ny 1938 no, nasandratry ny papa Pie XI ho olontsambatra i Marie-Dominique Mazzarello, ary ny papa Pie XII no nanambara azy ampahibemaso fa olomasina ny 24 jona 1951.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...