Teraka tao Espagne ny 17 mey 1540 i Pascal, zanaka mpamboly manetry tena izy io ary feno hatsaram-panahy kristianina. Vao fito taona monja dia efa niandry ondry izy, ary ny fotoana tamin'izany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny famakian-teny, ary voalaza aza fa, ny anjely mihitsy no tonga eo mampianatra azy.

Ny tena nahafinaritra azy tamin'izany dia mameria ny Rainay any an-danitra, fa na mahantra aza izy dia vitany ny manome izay ampahan-tsakafo kely ananany mba hamonjena izay mila izany sendra azy. Ohatra ho an'ireo mpiandry ondry namany izy, ary sady tian'izy ireo no najainy. Mbola tanora i Pascal dia efa niaina ny famolahan-tena amin'ny fiakanjona cilice, niaina ny fifadian-kanina, ny fampijalian-tena toy ny fandehanana an-tongotra mamakivaky tsilo, mba hanalana ny fahotana sy mba honitra ny fahotana. Ary ny harena navelan'ny ray aman-dreniny ho azy aza moa dia tsy noraisiny, fa aleony nandova ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahantran'ny relijiozy.

20 taona i Pascal no niditra tao amin'ny fikambanana Franciscain, ary nasehony tamin'ireo namany ny fahamarinan'ny antson'Andriamanitra, ireo namany ireo izay nanaraby azy. Nokapohiny in-telo ny tany ka nisy loharano telo nivoaka tamin'ilay tany karakaina. Noho ny toe-panahiny nihavaka tamin'ny fahazazana, dia lasa toe-panahy mahafinaritra nentiny tao amin'ny fikambanana, tonga lafatra ny fanekeny. Mafy ny fitondran'ny lehibeny azy ireo, fa hoy izy amin'ireo izay mitaraina hoe : mangina ianareo, miteny amin'ny vavan'ny lehibentsika ny Fanahy Masina. Rehefa irahina manao zavatra iray dia manaiky avy hatrany, noho ny voadin'ny fanekena hiainana ao am-po. Tena mampatahotra mihitsy ny famolahan-tena ataony. Rehefa miandry varavarana izy dia mihaotra ny tokony ho izy ny fihantrana ataony ny mahantra ao, ary rehefa miteny azy momba izany ny lehibe dia hoy izy hoe : raha misy mahantra roa ambin’ny folo tonga eo, ka ny folo ihany no omena, iza moa no mahalala raha ny iray amin'ireo tsy omena no Jesoa Kristy ?

Voalaza fa, nalaza tamin'ny fanajana ny Eokaristia Masina i Pascal, ary ora maro no laniny eo anoloan'ny tabernakla, ho fanajana an'izany. Indraindray moa, dia hita mihantona eny amin'ny habakabaka mihitsy izy, noho ny asan'ny fitiavan'Andriamanitra ao aminy. Raha tsy hita eo ny vatany amin'ny fankalazana ny Sakramenta Masina dia hinoana marimrina mihitsy fa eo ny fanahiny. Nandritra ny Sorona Masina fanankinana ny fanahiny tamin'ny fandevenana azy, dia hita nisokatra in-droa ny masony, tamin'ny fankamasinana, tamin'ny fanandratana ny hôstia sy ny kalisy, marihina fa, tamin'ny taona 1592 io fotoana io. Ny taona 1897, ny papa Léon XIII no nanambara fa mpiaro ny Asan'ny Eokaristia, na ny Œuvre eucharistique, i Pascal.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...