28 mey — Zanak'olona manan-katao i Masindahy Germain. Tao Autun izy no teraka. Nalaim-panahy ny reniny saika hanala azy tamin'izy mbola tany am-bohoka, ary ny nenitoany tao Avallon, nandritra izy nianatra dia saika hanapoizina azy ihany koa, kanjo ilay zanaky ny nenitoany indray no nahasotro ilay poizina ka nalemy manandram-pahafaty.

Rehefa vita ny fianarany dia nipetraka tao amin'ny fianakaviana, nantsoina hoe Scopillon izy, izay ny fanompoana an'Andriamanitra no tena nimasoany. Rehefa nahita azy ny eveka tao Autun, Mgr Agrippin, sy nahatsapa ny toetra tsara tao aminy dia nanofana azy ka lasa pretra izy. Ny mpandimby an'i Agrippin, i Mgr Nectaire, no nanankina taminy ny trano fitokana-monina Saint-Symphorien. Tamin'ny taona 555, dia nasain'i Childebert nandimby an'i Mgr Eusèbe i Germain, raha izy nandalo tany Paris iny. Tsy niova tamin'ny fiainany sy ny fombany i Germain, fa notohiziny hatrany fifadian-kanina sy ny fiainana maha mpitoka-monina azy. Tia ny mahantra izy, ary ny fananany dia tsy ampy nanaovany izany, fa ny mpanjaka kosa nanome azy izay rehetra nilainy mba ahafahany manampy ny mahantra. Anisan'ny fahagagana nataony ny fanasitranana an'i Childebert, ary niaraka nanorina trano fitokana-monina malaza moa izy sy ity mpanjaka ity ka noheverina fa tao amin'izany toerana izany no handevenana azy raha hatrizay ka nantsoina hoe Saint-Germain-des-Près io toerana io.

Nandray anjara mavitrika tamin'ny kônsily tao Tours tamin'ny taona 567 i Masindahy Germain ary niantso kônsily roa koa izy, ny iray tao Paris, ny iray tamin'ny taona 573. Ny iray tsy voafaritra tsara ny daty nanaovana azy. Nodimandry ny 28 mey 576 i Germain ary nalevina tao amin'ny chapelle Saint-Symphorien. Taty aoriana io chapelle io, izany hoe tany amin'ny taonjato faha-17 dia natao ho trano fivavahana ho an'ireo mpanao asa tanana. Rehefa notafihan'ny Normands ny tao Paris, dia nafindra tany amin'ny Saint-Germain-le-Vieux ny reliques an'i Masindahy Germain. Rava io tanana io tamin'ny 1802 ka ny ilan'ny tanan'i Germain ihany sisa no notehirizina, hatao fahatsiarovana tamin'izany reliques izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...