04 jona — Teraka tao Lyon tokony ho tamin’ny taona 447 i Clotilde. I Chilpéric II, mpanjakan’i  Burgonde no rainy ary i Carétène kristianina no reniny. Nobeaziny tamin’ny hatsaram-panahy sy fanajana ny martiry tao Lyon i Clotilde indrindra fa ny fanajana an’i Masimbavy Blandine izany.

Novonoin’i Gondebaud rahalahin-drainy ireo ray aman-dreniny tamin’ny taona 490. Ka i Godegisile rahalahin-drainy, mpanjaka tao Genève no nitaiza an’i Clotilde. Mba ahafahan’i Clovis mpanjakan’ny Francs, hiray tafika amin’ny Burgonde mba hanohitra ny Wisigoths dia nangatahany ho vady i Clotilde. I Clovis moa mbola mpanompo sampy ; ka hoy i Clotilde hoe manaiky hanambady anao aho raha ho beazina amin’ny finoana katolika izay zanaka haterako. Tao Soissons no nato ny fampakarana azy. Ny tena masaka tao an-tsain’i Clotilde dia ny hampibebaka an’i Clovis vadiny, tsy maintsy natao miandalana anefa izany.

Tera-dahy àry i Clotilde, ka avy hatrany dia natao batemy io zaza io ary vao vita batemy dia nalain’Andriamanitra hiverina any aminy. Tezitra i Clovis ary nilaza fa ny Andriamanitrao no namono ny zaza. Raha natolotra teo amin’ny sampy iny izao mbola velona hatram’izao. Neken’i Clotilde am-panginana ny fitsapana lehibe niainany. Niteraka zazalahy faharoa indray izy ireo ary narary ihany koa tao aorian’ny nanaovana batemy azy. Nesoin’i Clovis vadiny indray Clotilde hoe io ve dia haharitra ela, tsy anaraka ilay zokony ihany koa amin’ity izy nataonao batemy amin’i Kristy ity. Vavaka toto afo no nasetrin’i Clotilde an’izany. Nivaly ny fangatahany, sitrana soa aman-tsara i Clodomir zanany.

Tamin’ny taona 496 nifanandrina tamin’ny Alamans tao Tolbiac ny tafik’i Clovis ka nampanantena izy fa raha mitondra fandresena dia hibebaka ka hiroso atao batemy kristianina. Akory ny hafalian’i Clotilde, tsy niandry ela akory izy fa raha vao naharesy i Clovis dia niantso ny evaka toa Resch izy, Monseigneur Remi mba hampianatra sy hanao batemy an’i Clovis ny 25 desambra ny 496. Tanteraka ny iraka nataon’i Clotilde, nifantoka tamin’ny fanabeazana ny zanany efatra mianadahy izy. Ary nifanaraka tamin’ny vadiny ihany koa izy ka nanorina fiangonana tao amin’ny tendrombohitra tao Lutèce sady nasiany fasana ho an’izy ireo raha teo.

Roapolo taona nivadiana izy ireo no nodimandry i Clovis, nanomboka teo koa ny hazofijalian’i Clotilde. Tsy maintsy nisaraka tamin’ilay zanany vavy izy fa lasa nanambady an’i Amalaric mpanjakan’n Wisigoths io zanany io. I Clodomir ilay zanany lahy matoa kosa indray maty tamin’ny ady nifanaovana tamin’ny Bourgogne. Novonoin’ireo zanany mirahalahy ny zanak’i Clodomir roa ary niady izy ireo ny amin’izay handray ny fanjakana. I Childebert sy i Clotaire ireto zanany roa lahy ireto izany hoe zandrin’i Clodomir ireo. Noho ny vavaka nataon’i Clotilde anefa dia tsy lasa lavitra ny adin’i Childebert sy i Clotaire. Noho ireo sedram-piainana maro be niainan’i Clotilde dia nanao asa fivalozana maro izy : nanorina trano fivavahana ary natombony tsikelikely izany, nanorina trano fitokana-monina ho an’ny vehivavy tao Chelles akaikin'i Paris ho fanajana an’i Masindahy Georges. Naveriny natsangana sy nohaingoina fatratra ny bazilika nitehirizana ny sisa taolan’i Masindahy Germain tao Auxerre, naoriny ihany koa ny trano fitokana-monina natokana ho an’i Andelys ary tao Tours no namaranany ny fiainany, ary tamin’izany no nanajany fatratra an’i Masindahy Martin. Nody mandry teo amin’ny faha 70 taonany ny 03 jona 545 i Clotilde.

Nafindra tany Paris tao amin’ny fiangonana tao Lutèce ny vatana mangatsiakan’i Clotilde. Io moa ilay fiangonana naoriny tamin’ny mbola fahavelon’ny vadiny ary tamin’izany dia nantsoin'ny olona tamin’ny anarana hoe Masimbavy Geneviève io fiangonana io. Fa tamin’ny fotoana nanafihan’ny Normands dia votery tsy maintsy nafindra tany Vivières, Aisne ny vata misy an’i Clotilde. Rehefa naverina tany Paris io reliques io dia nisy najanona tao Vivières ihany izany dia ny lohany sy ny tanany, ary fatratra moa ny fanajan’olona izany sisa taolan’ity olomasina ity izany. Nisy ampahany tamin’ny taolambalony ihany koa tamin’ny 656 napetraka tao amin’ny fiangonana Notre-Dame-des-Andelys, fiangonana naoriny ihany koa io. Ny taona 1793 fotoanan’ny revolisiona izay nampisahotaka ny tany dia nalaina tao amin’ny fiangonana Masimbavy Geneviève indray ny reliques dia nafindra tany amin’ny fiangonana kely nantsoina oe Saint-Leu mba hiarovana azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...