03 jolay — I Thomas ilay resahana eto dia ilay apôstôly tsy teo tamin’ny fisehoan’i Jesoa voalohany tamin’ny mpianany tao aorian’ny nitsanganany ho velona. Izy ilay nilaza fa tsy mino ny fitsanganan’ny Tompo raha tsy mametraka ny tanany amin’ireo loaky ny fantsika eo amin’i Jesoa.

Herinandro tao aorian’izay àry dia niseho fanindroany tamin’ireo mpianany i Jesoa ka teo i Thomas ary nantsoiny manokana hizaha ireo mariky ny fijaliany ireo. Teo izy vao niaiky ka nilaza hoe “Tompoko sy Andriamanitro”. Nefa hoy i Jesoa taminy, “Nino ianao satria nahita, fa sambatra izay mino nefa tsy nahita”.

Fa raha ny ao amin’ny Vaovao Mahafaly no horesahantsika ny hoe iza moa i Thomas ? Raisintsika ny ao amin’ny Vaovao Mahafalin’i Masindahy Joany dia in-telo izy no miresaka an’i Thomas. Ny voalohany dia ny fanapahany hevitra hanaraka an’i Jesoa mba hanangana an’i Lazara na dia fantany aza fa mety am-pididoza azy izany (Jo 11, 16). Teo ihany koa ny fisalasalan’i Thomas ka nahatonga azy hiteny an’i Jesoa hoe : “Ahoana moa no mety ahafahana manatona ny Ray, tsy fantatray izay alehanao ka aiza no ahafantaranay ny lalana. Dia hoy Jesoa namaly hoe : Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana”. Raha izay tantara izay no zohitsika dia niaina tany amin’ny taonjato voalohany izany i Thomas.

Araka ny lovan-tsofina dia fomban-dry zareo tao aorian’ny Pantekôty ny mandeha mitory ny Vaovao Mahafaly any Perse sy Inde, ka i Thomas izany dia isan’ny nitory Vaovao Mahafaly tany Inde, toerana izay ahitana kristianina aman’etsiny maro ankehitriny, ary misy aza milaza mihitsy hoe fiangonan’i Masindahy Thomas. Izany dia niitatra hatrany Europe io fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataon’i Thomas io. I Masindahy Thomas dia antsoina hivavaka ho an’i mpanakanto, ny architeècte, ny géomètre, ny maçon sy ny charpentier, fa antsoina manokana ihany koa izy ho an’ny olona marary maso. Ny hafatarana an’i Masindahy Thomas amin’ny sary anehoana azy dia lehilahy mitondra sokera sy fehikibo eny an-tanany.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...