04 jolay — Teraka tamin’ny taona 1271 tao Espagne i Elisabeth. Zanak’i Pierre III, mpanjakan’i Aragon, sy Constance II avy any Sicile i Elisabeth na i Isabelle, fa ny dadabeany Jacques I kosa no nanabe azy. Zaza kely mahafatifaty i Elisabeth indrindra tamin’ny fitiavam-bavaka nitaizan’ity raibeny ity azy.

Tamin’izany fotoana izany dia efa hainy ny asa fampijalian-tena, fahafoizan-tena, ny asa fiantrana, noho ny fahitany ireo olona izay mijaly sy fadiranovana. Mbola kely izy dia efa natolotra ho vadin’i Denis mpanjakan’i Portugal ; tsy nanova ho feno hambom-po ny toetrany tsotra anefa izany mpanjaka izany fa ny fomba nahazatra azy teo amin’ny fitiavam-bavaka sy ny fitiava-namana no narahany. Saro-piaro tokoa io vadin’i Elisabeth io ka nampijaly azy. Tsy azoazon’i Denis vadiny lotra mantsy io izy malala-tanana io, izay nizara fanampiana tamin’ny mahantra, hany ka raha nanafinafin-javatra tao anaty aron’akanjo hozaraina ho an’ny mahantra izy dia tsikaritry ny vadiny izany. Nendahin’ny vadiny ny aron’akanjony, diso fanantenana anefa ilay rangahy fa voninkazo mani-pofona no niparitaka tamin’ny tany kanefa fotoana tsy nisy voninkazo tamin’izany fotoana izany. Sanganehana teo i Denis vadiny raha nahita ny marina ka nitony ny fony.

Mianadahy moa ny zanak’izy ireo. I Alphonse, ilay nandimby an-drainy teo amin’ny fitondrana teo amin’ny fiketrahan’i Portugal, ary i Constance kosa ilay mpanjaka vavy tao Castille tao Espagne. Ny zavatra nimasoan’i Elisabeth dia nitady izay hahafaly ny vadiny kanefa tsy nihanona tamin’izany izy fa mbola nanampy betsaka ihany koa tamin’ny fanorenana trano fiangonana, trano fitokana-monina, trano fitsaboana, ary sekoly, ary niantoka ny nentina hampiroboroboana an’ireny ihany koa izy. Izy no atonin’ny olona rehefa misy zava-manahirana, indrindra ireo tokantrano ianjadian’ny tsy fisiana. Fa mbola teo ihany koa ny fahaizan’i Elisabeth mampihavana rehefa misy andrian-dahy na mpanjaka mifanolana. Noho ny niady tamin’ny Denis vadiny i Alphonse zanany lahy dia i Elisabeth no niditra nitaingin-tsoavaly teo an-tsehatra ary nampihavana azy mianaka. Maty tao anatin’ny fitiavam-bavaka sy ny fibebahana moa i Denis vadiny tamin’ny taona 1320.

Fotoana kely tao aorian’izay dia nangataka hiditra tao amin’ny tranon’ny Clarisses ho isan’ny Tertiaire an’i Masindahy François tao Coimbra i Elisabeth. Tamin’izany ihany koa no nanolorany ny fananany ho fananam-bahoaka tao amin’ny fiangonana Saint-Jacques-de-Compostelle, satria tiany hiala faingana tao amin’ny afo fandiovana ny vadiny. Indray andro tamin’ny taona 1363 dia nandao ny tranony i Elisabeth mba handrindra fihavanana teo amin’ny ady nifanoheran’ny mpanjaka dia ny zanany lahy Alphonse io sy ny vinanto lahiny tany Castille. Teny an-dalana mba hahatonga ny fandriampahalemanana maharitra dia azon’ny aretina izy, hitany nofy ny renin’i Jesoa nankahery azy ary dia nodimandry izy ny 04 jolay 1336 teo amin’ny faha-45 taonany. Izany hoe niaina 11 taona tao amin’izany fikambanan’ny Tertiaire an’i Masindahy François izy. Ireo fahagagana nataony dia ampy nananganan’ny papa Urbain VIII azy ho olomasina tamin’ny taona 1626.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...