07 jolay — Teraka Granada Nicaragua ny taona ny 1902 i María Romero Meneses, nanan-katao tokoa ny fianakaviany. Teo amin’ny faha-13 taonany izy, raha nianatra tao amin’ny masera Filles de Marie Auxiliatrice, izany hoe ny fikambanan’ireo masera salezianina manara-dia an’i Don Bosco.

Tao no nahafantarany ny fainan’i Don Bosco sy nahatsapany ny tanjom-panahiny. 5 taona taty aorian’izay dia niditra tao amin’ny fikambanan’ny Filles de Marie Auxiliatrice izy ary niofana tany Salvador. Ny taona 1923 no nanomboka ny fiain-drelijiozy i María Romero Meneses. Tsy nahalala sasatra izy tamin’ireo asa fanirahana nampanaovina azy mandram-pahafatiny. Ny androa tokom-piainan’ny moa dia nolaniny tao Costa Rica, toerana nandefasana azy hanao iraka ny taona 1931.

Tao San José tao amin’ny sekoly nampianarany dia nikarakara antokon-tanora misionera kely i María Romero Meneses, ka nirahiny tsiroaroa ireo tanora ireo mitety fokontany mahantra any an-drenivohitra mba hampianatra katesizy. Teraka tamin’izany koa ireo fikambanana sekoly arovan’i Don Bosco. Toa an’i Don Bosco dia be fiantrana ihany koa i María Romero ka nantsoin’ny olona tamin’izany hoe Don Bosco vehivavy. Nahazo fitsirihana maimaim-poana ho an’ireo zaza eny amoron-dala-be izy. Ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa ho an’ny fanofanana arak’asa ho an’ireo tovovavy ihany koa dia maro no nanampy. Nanangana trano fitsaboana ho an’ireo fianakaviana sahirana sy mahantra i María Romero, efitrano hanaovana katesizy, fampianarana mamaky teny sy manoratra, nanorina chapelle Chardaine ihany koa izy fanampin’ireo toerana ireo. Izany rehetra izany moa no nataony dia mba handraisana an’ireo mahantra sy fadiranovana.

Mba hamaliany ny antson’ny papa Pie XI izay nangataka azy mba hikarakara ireo mahantra sy farahidiny, dia namondrona tovovavy izy hanampy ireo tovovavy sahirana. Ary mbola misy izy ireo ankehitriny amin’ny alalan’ilay fikambanana lahika antsoina hoe “asaione” na hoe “asociación ayuda a los Necesitados” izany hoe fanampiana ho an’ny mahantra. Natoky ny fitiavan’Andriamanitra i María Romero, nanorina trano kely maromaro izy mba handraisana am-pahamendrehana ireo fianakaviana izay tena sahirana sy mijaly, nantsoina hoe Citadelle de Marie Auxiliatrice io tanana io. Fa manana fiainana miafina izay izy io tsy takatry ny saina fa loharano niavian’ny asa fanirahana nataony nifototra tamin’i Jesoa sy i Maria no mpanjakany sy mpanjakavaviny.

Maty ny 07 jolay 1977 izy. Ny tena nanaitra sy nanamarika ny teo amin’ny fiainany moa dia ny fanompoana ireo farahidiny tamim-pahombiazana tokoa. Apôstôlin’ny mahantra izy. Tsy nanavaka na iza na iza. Izy no vehivavy voalohany tao Nicaragua nasandratra ho olontsambatra. Ny 14 avrily 2002 no nanambaran’ny papa Joany Paoly II izany tao Roma.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...