08 jolay — Zanak’i Bouchard de Marly sy Matilde de Châteaufort, zafikelin’ny mpanjaka Louis VI, i Thibaut. Teraka tao Marly izy, ary toy ireo zanak’andriana rehetra dia nahazo fanabeazana ho miaramila fa tao amin’ny tontolo tena kristianina. Mbola kely izy dia efa nanana fanajana manokana an’i Maria Virjiny izay nambarany fa reny tsara sy mpampianatra malalany.

Nanintona azy ny trano fitokana-monina izay nanaovan’ny rainy asa fanasoavana dia ny Les Vaux de Cernay sy Port Royal. Noho izy nanana rohim-pihavanana tamin’ny mpanjaka dia nirotsaka ho miaramila izy ka lasa mpitaingin-tsoavaly tao amin’ny lapan’i Philippe Auguste.

Araka ny nambara dia nanintona azy tokoa ny tany amin’ny trano fitokana-monina. Ka i mompera Thomas, pretra tao amin’io trano fitokana-monina tao Les Vaux de Cernay io no nanambarany voalohany ny faniriany ho relijiozy. Nolazain’io fa mafy izany fiainana izany raha oharina amin’ny fiainan’ny tanora. Tsy nampihemotra an’i Thibaut anefa izany fa niditra tao amin’ny trano fitokana-monina tao Les Vaux de Cernay ihany izy mba hiaina izay faniriana lalina tao anatiny izay ny taona 1226. Ny 1230 izy no notendrin’i mompera Richard ho lehiben’ny trano ary voafidy handimby an’io pretra io ny taona 1235. Nanomboka teo dia maro ny adidiny, nanomboka tamin’ny fanamboarana sy fanabeazana sy fanitarana ny trano izay tsy maintsy natao noho ny fitomboan’ny mpitoka-monina sy ny fanavaozana ary ny fanitarana ireo efa nisy. Niakanjo hatrany ny fitafin’ny mpitoka-monina i Thibaut ary nambarany fa mendrika ny fiainany izany. Nihanitombo hatrany ny fanajana an’i Masina Maria, notakiany mihitsy amin’ny bokin-kira ny fanoratana loko mena ny anaran’i Maria Virjiny hoe : “Anarana masina mendrika hajaina, mendrika ho tiavina mandrakizay”. Raha misy olona somary sahirana amin’ity fanajana ity dia laziny hoe : “Fantaro fa tsy tiako toy izao Maria Virjiny raha tsy renin’ilay Jesoa Kristy Tompoko, raha tsy izany dia tsy tiako noho ireo virjiny hafa izy ; i Jesoa Kristy no tiako ka hajaiko sy homeko voninahitra ao amin’i Maria”.

Notendrin’i Monseigneur Guillaume d’Auvergne, eveka tao Paris ho mpitantana am-panahy ireo trano fitokana-monina tao Port Royal i Thibault ny 1236, ary nanara-maso ny trano tany Joie-lès-Nemours. Ny chapitre général, ny taona 1237 kosa no nanendry azy ho mpitantana tao amin’ny Notre-Dame du Tresor tao Vexin sy tao Breuil-Benoît akaikin’i Les Vaux de Cernay. Rehefa naheno ny fahamasinan’i Thibault ny mpanjaka Louis IX dia nangataka azy ho any an-dapa ka niangavy azy hivavaka mba hananan’io mpanjaka io sy ny vadiny Marguerite taranaka. Ny 11 jolay 1240 no teraka i Blanche zanakavavy voalohan’ireo mpanjaka ireo. Mbola zaza izy io dia maty nefa maro ireo zandriny taty aoriana. Nankasitraka ny soa vitan’i Thibaut izy ireo ka nanome azy fanampiana maro be ho an’ny trano fitoka-monina tao Les Vaux de Cernay.

Sahirana tamin’ireo andraikitra maro nosahaniny i Thibaut ka voatery indraindray tsy maintsy mandeha mivoaka ny trano izy ka hoy izy hoe : “Ry fanahiko malalako indrindra, tsy aty no misy ny tadiavinao sy ny irinao. Miverena ho any Les Vaux de Cernay fa any no ahitanao azy. Any ianao no miresaka aminy ary hahita ny hasambarana eo am-pahitana azy ao amin’ny finoana ao anatin’ny vavaka mandram-pifankahitanareo any aminy. Miverena any an-trano fitokana-monina, any ianao no mitsaoka ilay Andriamanitrao am-panajana sy fitokiana”. Narary maharitra i Thibaut ary nodimandry ny 27 jolay 1247. Nalevina niaraka tamin’ireo nodimbiasany izy. Nasiana sariny io fasana io ary nohaingona soratra hoe, “Hic jacet Theobaldus abbas” (Ato no mandry ny abbé Thibaut).

Tao aorinan’ny fahafatesany dia maro no mpanao fivanihanana masina tonga tao, anisan’ny tonga matetika tao ny mpanjakavavy sy ny zanany ary ny mpanjaka Philippe III. Rehefa tsy nahazo niditra tao amin’ny fasana izy ireo dia nafindra tany amin’ny chapelle ny reliques ny 1261. Ny taona 1270 no nasandratra ho olomasina i Thibaut. Ary ny 8 jolay an’io toana io ihany dia nentina tany amin’ny fiangonana ny reliques natao tao anaty ny vata vato. Tamin’ny Revolisionina, potika ny trano fitokana-monina ka niparitaka ny reliques. Ny sombony sisa no notahirizina tao amin’ny fiangonana Cernay-la-Ville. Hajaina fatratra ao Beuvron-en-Auge izy toerana izy nampalaza azy amin’ny fanasitranana aretib-bavony sy areti-kovitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...