12 jolay — I Masindahy Olivier Plunkett dia Irlandais izy io, teraka ny taona 1629. Nahazo fanabeazana tsara tao amin’ny trano fitokana-monina tao Sainte Marie Dublin izy ary nisy fianakaviany ihany koa lehibe tao amin’izany trano fitokana-monina izany.

Ny taona 1645 dia nankany Roma izy mba hiofana ho pretra ary taona vitsivitsy taty aoriana, ny taona 1654 no voahosotra ho mpisoron’ny avo indrindra izy, izany hoe 24 taona izy tamin’izay. Tia vavaka sy manam-pahaizana tokoa izy ka voatendry sy voafidy ho arseveka tao Armagh. Sarotra ny fandraisana io andraikitra io satria fotoana nankan’ny governemanta an’i Londres ny fananana sy ny tanin’i Irlande katolika izy io mba atolotra an’ireo anglisy protestanta nanjanaka tamin’iny ilany avaratry ny tanana iny. Ary io fanjanahan-tany io ihany koa no nahatonga ny tao Ulster betsaka mpino protestanta raha oharina amin’ny katolika. Ny taona 1669 moa i Olivier Plunkett no nohamasinina ho eveka tao Armin ary izay no nahatonga azy ho primat tao Irlande. I Charles II no namerina tamin’ny laoniny ny filaminana tao ka io no nohararaotin’i Olivier niverenana tany Irlande tamin’ny taona 1670, dia tao izy no nanao ny asa fanasoavana, ary indrindra indrindra nojereny manokana ny tanora.

Fa tamin’ny 1679 nibebaka ho amin’ny finoana kristianina katolika ihany koa ny duc de York natao hoe Jacques ary niverina indray ny fifanenjehana teo amin’ny katolika sy ny protestanta. Naely eran’ny tanana tao Londres ary fa hoe i Olivier no nikononkonina ny fandefasana ireo miaramila frantsay sy espagnol handroba ny tanana. Nosamborina izy ary naiditra am-ponja tany Londres. Voaheloka ho faty i Olivier, nahantona ary notapahana ny tongony. Nisaorany ireo mpitsara ary navelany helok’ireo mpampijaly sy mpamono azy. Ny 11 jolay 1681 moa izy no nodimandry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...