14 jolay — Teraka ny taona 1550 tao Bucchianico i Camille. Mbola kely izy dia maty ny reniny ary tsy dia nisy niraharaha loatra ny fanabeazana azy. Nilatsaka ho miaramila tao amin’ny tafika tao Venise izy avy eo tao Naples. Nanamarika ny fiainan’i Camille ny fitiavany lalao ka mahavery ireo fitaovany sy ny fitaova-piadiana tany aminy.

Rehefa izany dia nilatsaka ho mpitsabo mpanampy tao amin’ny hôpitalin’i Saint Jacques des Incurables izy. Ny tena nanosika azy ho ao amin’io hôpitaly io dia ny fitsaboana ny fery be tamin’ny tongony izay nampijaly azy fotoana maro ; voaroaka tao anefa izy noho izy tia ady sy loka. Niverina miaramila tao Venise indray izy ary nandray anjara tamin’ny ady nanohitra an’i Turcs ny taona 1569. Tao aorinan’ny ady dia noraisin’ny capucins tao Manfredonia izy. Nitohy ihany ny fitiavan’i Camille ny lalao sy ny loka. Ary nisy mpiambina iray tao ka nahatonga azy hibebaka ka nahatonga azy hilatsaka ho frera “lay” nefa nolavina izy noho ny kilemany. Niverina tany Roma indray i Camille ary nankao amin’ilay hpitaly nisy azy teo aloha. Rehefa niĥatsara ny fahasalamany dia lasa mpitsabo mpanampy izy ary nahazo fankasitrahana tamin’ny fitiavam-bavaka sy fahendrena ka voatendry ho lehiben’ny hôpitaly.

Ny fahitan’i Camille ny fijalian’ireo olona tao amin’ny hôpitaly no nahatsapany ny tena fiantsoan’Andriamanitra azy. Nikarakara ny marary toy ny nataon’i Jesoa, nampajaka ny fahadiovana tao amin’ny hôpitaly, nanompo ireo malemy na ho an’ny vatany na ho an’ny fanahiny, izay koa moa no tena tanjom-piainany. Nanandrana nanangana fikambanana relijiozy mpanampy, lahika izy fa nisy nanohitra izany. Ireo namany, ary anisan’izany i Masindahy Philippe Néri, nanoro azy ho tonga pretra. Teo amin’ny faha-32 taonany àry izy no nanomboka nianatra ny fiteny latinna tao amin’ny kolejin’ny zezoita tao Roma. Nanorina ny fikambanana atao hoe Pères de la Bonne Mort tamin’ny taona 1584 ary ny fikarakarana ireo mararin’ny pesta no tena nimasoany tamin’izany. Tsy nijanona fotsiny amin’ny hôpitaly no asany, fa eo ihany koa ny fitsaboana ireo marary tany an-trano. Ny papa Sixte V no nankatoa ny fikambanany ny taona 1586 ary namoaka ny didy ho amin’ny fifidianana ny lehiben’ny fikambanana isaky ny telo taona ary voalaza fa i Camille no lehiben’ny fikambanana voalohany tamin’izany. Ankoatra ny fikarakarana sy ny fitsaboana ny vatan’ireo olona mijaly ireo dia nataony ihany koa ny fanomanana azy ireo ny fiainana eto an-tany ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Maty tao Roma ny 14 jolay 1614 i Camille. Ny mozika tiako hoy izy dia ny feon’ireo marary miangavy ny hikarakarana ny fandriany sy ny mangataka ny handemana ny lelany ary hafanaina tongotra, izany no feo tokony hahafaly ireo izay tena mpanompo ny marary. Marihina moa fa ny papa Pie IX no nanambara fa mpiaro ny mpitsabo mpanampy i Camille tamin’ny taona 1930.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...