04 aogositra — I Masindahy Jean-Marie Vianney dia teraka tao Dardilly akaikin’i Lyon, tamin’ny 08 mey 1786. Jean-Marie Baptiste Vianney moa no tena anarany ary fantatsika amin’ny hoe Curé d’Ars izy, noho izy nitondra ny fiangonana nandritra ny 41 taona tao Ars-en-Dombes, lasa Ars-sur-Formans ankehitriny.

Zanaka tantsaha i Jean-Marie Vianney, teo amin’ny faha-13 taonany izy no nandray ny Kômonio voalohany. Tsy nahay namaky teny sy nanoratra ny ankizy tao an-tanana tamin’izany satria efa hatramin’ny fanombohan’ny Revolisiona Frantsay no tsy nisy mpampianatra tao. Ny taona 1803, efa 17 taona i Jean-Marie Vianney tamin’izay vao nisy mpampianatra tao ka izay izy vao nankany an-tsekoly. Ny 1806 hatramin’ny 1807 no niditra tao amin’ny sekoly anankiray nahorin’ny Abbé Charles Balley izy. Na dia tsy nahomby loatra aza izy tamin’ny fianarana ankapobeny dia tsapan’ity pretra mpanabe azy ity ny fitiavam-bavaka, sy ny famolahan-tena nataony ary ny fahatsapany izany fiantsoan’Andriamanitra azy izany. Ny 1809 raikitra ny ady nifanaovana tamin’ny Espagne ka voaantso hanampy ny tafika i Jean-Marie Vianney. Nikomy anefa izy ka lasa niafina tany ambanivohitra ary nanova anarana. Nosazian’ny fanjakana ny rainy ka ny zandriny no nandeha nisolo toerana azy.

Ny taona 1812 àry, niverina tao amin’ny sekolin’ny Abbé Charles Balley indray izy, ary io pretra io no nanolotra azy tao amin’ny seminera zandriny tao Virrières, tsy naharaka mihitsy i Jean-Marie Vianney na dia efa nianarany tamin’ny teny frantsay aza izany, satria fiteny latinina moa no nampianarana io taranja io tamin’izany fotaoana izany. Avy hatrany izy dia nalefa nandalina ny teôlôjia tao Lyon tao amin’ny seminera zokiny tao amin’i Saint-Irenée. Tsy nety nandoha ny saram-pianarana tany ny rainy ka dia ny sekoly no niantoka azy, noho ny tsy fahombiazany teo amin’ny fianarana indray dia naverina tany amin’ny Abbé Charles Balley, curé ny fiangonany i Jean-Marie Vianney. Nambaran’ity pretra ity tamin’ny Vicaire général fa na dia tsy mahay fianarana aza i Jean-Marie Vianney dia manana ny fitiavam-bavaka, ary noho io fiangavian’io pretra io no nanamasinana ho pretra an’i Jean-Marie Vianney ny 13 aogositra 1815 ka i Monseigneur Simon no nanamasina azy tao amin’ny seminera zokiny tao Grenoble. Nalefa tany Écully izy avy eo ary nanampy ny Abbé Charles Balley. Rehefa maty io pretra io ny 1818 dia nalefa nitantana ilay fiangonana kely tao Ars izy, ary tamin’izay dia efa nantsoin’ny kristianina tao hoe Curé d’Ars, na dia mbola zanam-piangonan’i Misérieux aza i Ars tamin’izany fotoana izany. Ny taona 1821 moa io fiangonana io vao lasa paroasy.

Teotra nahalalan’ny olona sy ny kristianina tao Ars an’i Jean-Marie Vianney ny fahatsorany, ny fifadian-kanina, ary ny fanampiana sy ny fitiavana ny mahantra, ka izay eo am-pelatanany no omeny amin’izany, indrindra indrindra fa ny fitiavam-bavaka, ora maro izy no hitan’ny olona mivavaka ao am-piangonana, ka ny fihetsiny dia toa manambara amin’ireo mpitazana fa hoe mahita an’i Kristy izy. Izany no nahatonga azy ireo hilaza avy hatrany fa olomasina ity pretra ity. Tian’izy ireo ny hafaliana entiny, ny hatsaram-pony sy ny fitiava-namana nasehony, ary ny fifadian-kanina sy ny fiaretan-tory andro aman’alina ataony dia vetivety dia nihely eran’ny tanana. Nanorina sekoly ho an’ny zazavavy tao Ars i Jean-Marie Vianney ; sekoly kely tsy zarizary izay manko no novantaniny tao, ary nitambatra ny fianaran’ny zazalahy sy ny zazavavy. Tsy nankasitrahany loatra ny fitondra-tena niainan’izy ireo ka naleony nampiofana tovovavy mpanabe ireo zazavavy ireo, ka vantany vao afaka nisahana sekoly i Catherine Lassagne sy i Benoîte Lardet dia efa nosokafany ny sekoly, ka i Catherine Lassagna no nitantana izany ary i Benoîte Lardet kosa nampianatra ny asa tanana. Maro ireo mpanao asa soa no nanohana io asa pastoraly nataon’i Jean-Marie Vianney io. Niitatra tsikelikely àry izany sekoly izany ka nahafahana nandray ireo zazavavy sahirana sy kamboty hatramin’ny 20 taona. Omena sakafo ireo, nampianarina, nokarakaraina ary nantsoina hoe “Maison de la Providence” io trano fanabeazana io. Nanomboka ny taona 1827 dia niverina nivavaka tsikelikely ny olona tao Ars, ary maro ireo manam-boninahitra tonga any Ars mba handray ny Sakramentan’ny fampihavanana, ary izany no nantsoina hoe fivahinianana masina tao Ars. Nahazo vahana io fivahinianana masina io ny taona 1830-1835, ary mandram-pahafatin’i Jean-Marie Vianney dia nisy hatrany ireo mpivahiny masina. Noho ny hamaroan’ny olona dia nangataka pretra hanampy azy i Jean-Marie Vianney ka nahazo ny Abbé Raymond ny 25 septambra 1845. Taty aorina dia tsy maintsy natolotra ny fikambanan-drelijiozy ireo fikambanana ireo, na ilay ho an’ny zazavavy na ilay ho an’ny zazalahy.

Rehefa nahatsiaro ho reraka i Jean-Marie Vianney dia nikasa ny hiala tao Ars izy. Nisy raha teo koa ireo pretra namana no nilaza azy fa tsy mahay ny asany izy. Naniry ny hitoka-monina mba hivavaka, ka in-droa no saika efa hisintaka izy fa tamin’ny faharoa ny taona 1853, 77 taona izy tamin’izay, dia narary tampoka. Nangataka tamin’ny eveka izy mba hiala sasatra tany amin’ny fianakaviany noho ny tsy fahasalamany ary handao an’i Ars mihitsy, tsy nomen’ireo eveka alalana anefa izy ka dia nijanona tao Ars ary nody mandimandry tao ny 04 aogositra 1859.

Maro ny fahagagana nanehoan’i Jean-Marie Vianney ny voninahitr’Andriamanitra hatramin’ny fahavelony. Ny taona 1905 izy no nasandratry ny papa Pie X ho olontsambatra sy mpiaro ny pretra tao France, ny papa Pie XI kosa no nanambara fa olomasina i Jean-Marie Vianney ny taona 1925. Ny taona 1929 no nambara fa olomasina mpiaro ny curé rehetra maneran-tany izy. Ary ny taona 2009, fankalazana ny faha-155 taona ny nahafatesany no natokana ho taona ny pretra. Herintaona tao aorian’izay no nambaran’ny papa Benoit XVI fa olomasina mpiaro ny pretra manerana izao tontolo izao i Masindahy Jean-Marie Vianney na ny Curé d’Ars.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...