05 aogositra — Teraka tany Ecosse i Masindahy Abel, mpitoka-monina bénédictin izy io, na dia teo aza ny toe-panahy tsara nananan’i Abel dia maro ireo nihetraketraka sy nanararoatra izany.

Tsiahivina mantsy fa tamin’io fotoana niainan’i Abel io no nanjakazakan’i Charles Martel indrindra fa ny fanararaotany ny fampiasana sy ny fakana ny fananan’ny Fiangonana. Ka ny ataony amin’izany dia ny manendry pretra avy amin’ny trano fitokana-monina sy eveka izay azony langolangoina izy ka ireo pretra sy eveka ireo no mifampisasaka aminy amin’ireo fananana sy vola miditra ao amin’ny Fiangonana. Te hanova izany fomba rehetra izany i Pépin le Bref zanak’i Charles Martel ka nanendry an’i Abel mpitoka-monina tao Lobbes tao Belgique mba ho eveka tao Reims, ilay eveka nodimbiasan’i Abel anefa tsy namela azy hiaina sy hanao ny asany nandritra ny telo taona, ka vizaka sy tofoka i Abel. Lasa izy nisintaka tany amin’ny trano fitokana-monina. Ny vavaka no natolony ho an’ny Fiangonana namenoany izay rehetra tsy azony atao sy tsy vitany nandritra ny naha eveka azy.

Fa tsara ihany koa ny hahalalantsika fa misy ihany koa ny Abel ao amin’ny tantaram-pamonjena. Tsy iza izany fa i Abel, zanaka faharoa an’i Adama sy i Eva, novonoin’i Kaina zokiny izy io noho ny fialonan’io zokiny io ny fitiavan’Andriamanitra azon’i Abel zandriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...