24 aogositra — Niaina niaraka tamin’i Jesoa i Barthélemy izay resahana amin’ity andro androany ity, na antsoina koa hoe Nathanaël. Ny Mpamonjy no niantso azy hanara-dia azy.

Nanatrika ny fampianarana nataon’i Jesoa i Barthélemy ary naheno ny fanoharana nataony. Azo lazaina fa vavolombelon’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra izy. Tao aorian’ny Pantekôty dia nalefa nitory ny Evanjely tany Inde izy, nitety an’i Arabie sy i Mésopotamie ; tamin’ny toerana nolalovany dia nitory ny anaran’i Jesoa Kristy Mpamonjy an’izao tontolo izao izy. Ny hafanam-pony dia nampiova ny fon’ireo mpanohitra azy. Tsy hoe nampibebaka olona maro fotsiny i Barthélemy fa nanamasina pretra sy evaka handimby azy. Taty aoriana dia hitan’i Masindahy Pantène tao amin’ny toerana izay nolalovany ny Evanjelin’i Masindahy Matio nentin’i Barthélemy tamin’izany fotoana izany.

Rehefa niala tao Inde i Barthélemy dia nitety an’i Arménie, ao amin’ny renivohitr’io tanana io, nisy tempoly fanajana sy fitsaohana an’i Astarote, sampy izy io, nasain’ny olona ho tonga tao i Barthélemy mba hanala ny fanahy ratsy, tonga tao tokoa izy ary lasa moana ilay sampy ka lasa tsy nanao fanasitranana intsony. Nanala demony tamin’ny zanakavavin’ny mpanjaka ihany koa i Barthélemy, nibebaka ny mpanjaka noho izany ary maro ny olona no nanara-dia azy. Ny fianakavian’ny mpanjaka sy ny olona tao an-tanana roa ambin’ny folo tao amin’ny fanjakana dia nandray ny batemy ihany koa.

Namaly faty ny demony ka nosamborin’ny rahalahin’ny mpanjaka i Barthélemy ary nohelohiny ho dorana velona. Efa vonona tamin’ny antsy sy ny vato maranitra ireo mpampijaly, nanaisotra ny hodiny nanomboka tany amin’ny lohany ka hatrany am-paladia, mandram-piseho ny nofony feno ra, avy eo notapahan’izy ireo ny lohany. Nalevina tao Albane i Barthélemy avy eo. Maro ny fahagagana niseho tao, tezitra ireo tsy mpino ka nohidin’izy ireo tao anaty vata vita amin’ny fira-mainty ny vatan’i Barthélemy ary natsipin’izy ireo tany an-dranomasina. Fa nitsingevana nanaraka ny onja ilay vata ka tonga tao akaikin’i Sicile. Taty aoriana tonga nanafika ilay nosy ny Sarazins ka naparitany ny reliques. Ny mpitoka-monina nahazo baiko tamin’ny fahitana no nanangona ireo sisa taolan’ny apôstôly. Amin’izao fotoana izao dia ao Roma ny vatan’i Barthélemy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...