18 septambra — Araka ny fiantaran’i Jacques de Voragine ao amin’ny Légende dorée dia maty martiry izy efa-mianaka ireto. Sophie moa izany no reniny ary zanany avokoa izy telo miravavy dia i Nadège, i Véra ary i Liouba. Niaina tany amin’ny taonjato faharoa tany izy ireo.

Tonga tao Roma i Sophie ary isaky ny alahady dia entiny mamangy sy mitsidika fiangonana ireo zanany ireo. Tena babon’ny hatsaran’ireo zazavavy ireo ny amperora ka naniry ny hanangana azy ireo ho zanaka, fa nolavin’i Sophie ankitsirano izany. Tezitra noho izany izy ka nasainy novonoina sy nampijaliana ireto zaza tsy mana-tsiny. I Vera moa dia miaramila miisa 36 no nasaina nikapoka azy avy eo dia nesorin’izy ireo teo imasom-bahoaka ny nonony ka nikorina tamin’izany ratra ny ra fa ny nonony kosa nivoaka ronono, avy eo dia napetraka tamin’ny talatalana vy mahamay izy. Ka rehefa hitan’izy ireo fa tsy niraika dia narotsany tao anaty tavy feno menaka sy savoka mahamay ary notapahana ny lohany avy eo.

I Nadège indray, nasain’izy ireo nihankohaka tamin’ny sampy fa tsy nanaiky hany ka natsipin’izy ireo tao anaty menaka sy savoka mangotraka ihany koa. I Liouba ilay farany izay zandriny indrindra ihany koa dia tsy nanaiky izay fanerana nataon’ny amperora Adrien taminy, hany ka natsotrany sy nofatorany ary nokapohany tamin’ny hazo avy eo dia nokapohany tamin’ny firitsoka ary natsipiny tao amin’ny trano mirehitra ka tamin’izany dia nahafaty mpanompo sampy tokony ho 6000 ny firehitry ny afo, nefa i Liouba tsy may akory. Dia notrobaran’izy ireo tamin’ny antsy mahamay izy mba ho faty.

Nangonin’i Sophie reniny ny vatan’izy telo mirahavavy ary naleviny tamin’ny toerana iray ; fa tamin’izay fotoana izay i Sophie niantso mafy hoe : “Maniry mafy ny hiaraka aminareo aho ry zanako malalako”, dia maty teo ihany koa izy, ary nalevin’ny olona izay nanatrika teo tamin’ny fasana iray izy efa-mianaka. Naharary an’i Sophie ny fahitany an’ireo zanany nampijaliana ary tena hirifiry mihoatra noho ny novonoina martiry no nanjo azy tamin’izany. Fa tesy an-daniny kosa i Hadrien dia nikoroso fahana izay tsy izy ary farany dia nihaiky ihany koa fa niteny ratsy sy nanopa ireo olomasin’Andriamanitra.

Marihina fa avy amin’ny teny Slave ny anaran’izy efa-mianaka ary tsy hoe kisendrasendra ny anarana sy ny fiainan’izy ireo fa nifanaraka tamin’ny heviny tokoa. Ny hoe Sophie manko dia hoe fahendrena, ny Vera dia midika hoe finoana, ny Nadège dia midika hoe fanantenana, ny Liouba na Lioube midika hoe fitiavana. Tsy misy fahamasinana raha tsy ao ireo hatsaram-panahy telo ireo : Finoana, Fanantenana, Fitiavana izay avy amin’ny Fahendrena mandrakizay dia i Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...