29 septambra — Tsaroan’ny Fiangonana amin’ity daty ity ireo arakanjely indrindra fa i Michel, i Gabriel, ary i Raphaël. Misy antoko sivy manko ireo anjely, ary misy antana-tohatra telo. Dia eo ilay antsoina hoe : “Anges, Archanges, ary ny Principautés”.

Fa avy eo dia misy ny hoe “Puissances, Vertus, ary ny Dominations”, ary farany ireo “Trônes, Chérubins ary ny Séraphins”. Ka ny asan’izy ireo dia ny mibanjina an’Andriamanitra sy ny mitia azy ary ny mankalaza sy manatanteraka ny sitrapony mba ho famonjena ny olona.

Raha ho resahintsika àry ireo arakanjely dia i Masina Michel no hanombohantsika azy. Maro ny ahitana azy ao amin’ny Baiboly, ohatra amin’izany ny ao amin’ny Daniel mpaminany Dn 10, 13-23 ; 12, 1. Hitantsika ihany koa any amin’ny taratasin’i Joda sy ny Fanambaran’i Masindahy Joany na ny Apôkalipsa. Ao amin’ny Testamenta Taloha ohatra dia hita izy io tamin’Andriamanitra nandefa olona sy nandefa mpitondra hafatra. Na dia tsy vaolaza mazava aza fa izy no nitana ny tanan’i Abraham tamin’izy saika hanao sorona an’i Isaac, ilay niseho tamin’i Josué tany Jerikao, izy ihany no ilay nanampy an’i Davida tamin’ny ady tamin’i Golita. I Masina Michel ihany koa no niseho tamin’ny mpaminany Daniel. Ary ao amin’ny Testamenta Vaovao indray dia izy no niady tamin’ny demony araka ny ambaran’ny taratasin’i Joda, ary izy ihany koa no nandresy ny dragona tao amin’ny Apôkalipsa 12, 7.

Raha i Masina Gabriel indray no ho resahana dia izy no nilaza tamin’i Zacharie fa hanan-janaka i Elisabeth. Izy ihany koa no nanambara tamin’i Maria Virjiny ny hahaterahan’i Jesoa Lk 1, 11-20. 26-38. Nambaran’ny papa Pie XII tamin’ny 12 janoary 1951 fa io arakanjely io no nanambara ny famonjena ny olombelona. Izy ihany koa no mpiaro ny olona miandraikitra ny fampitana ny hafatra sy ireo masoivoho na ihany koa ny diplomate.

I Masina Raphaël indray dia ilay arakanjely nirahin’Andriamanitra hanasitrana an’i Tobias rain’i Tobia sy hanampy azy hihaona amin’i Sarah mba hanohy ny taranaka dimbin’i Abraham. Izy ihany koa no niaraka tamin’i Tobia nandritra ny diany. Azontsika jerena izany ny santionan’ireo voalaza ireo ao amin’ny bokin’i Tobia 3, 24. 25 ; ny toko faha-12 izay milaza ireo asam-pamonjena nataon’ny Raphaël ho an’i Tobia. Ambara moa fa mpiaro ny mpandeha amin’ny fiara izany na an-dranomasina na ihany koa anabakabaka i Masina Rahaël.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...