30 septambra — Teraka tao Stridon akaikin’ i Aquilée any Dalmatie na Croatie ankehitriny i Jérôme. Nampihantain’ny ray aman-dreniny tokoa izy io satria telo ambin’ny folo taona izy vao nanan-jrandry mianadahy. Nianatra tany Milan sy tany Roma i Jérôme ary nanaraka ny fampianaran’i Aelius Donatus.

Tena namiratra izy ary tena nanavanana azy ny haisoratra. Ny mpanoratra nanintona azy dia i Cicéron. Teo amin’ny fahasivy ambin’ny folo taonany izy no natao batemy. Ary heverina fa ny papa Libère no nanome azy izany sakramenta izany. Nandritra ny naha tao Roma azy no nitsidihany ireo fiangonana sy ny fasan’ny martiry. Nankany Trèves tany Allemagne izy avy eo nandalina ny teôlôjia. Ary ny taona 373 izy no nankany Aquilée, ary tao no nivondronany niaraka tamin’i Rufin sy i Bonosus tao amin’ny ankohonam-piaraha-monin’ny olontsambatra. Vetivety anefa dia noravain’i Poulis io ankohonam-piainana io ka lasa nankany Antioche any Syrie izy ireo. Nianatra ny fiteny grika i Jérôme tany. Indray andro narary mafy izy ka nanonofy hitany teo anolohany ny mpitsara tamin’ny andro farany nanontany azy hoe : “Kristianina va ianao ? Dia hoy i Jérôme hoe eny tompoko. Mandainga ianao hoy ilay mpitsara. Tsy kristianina ianao satria i Cicéron no mpampianatra anao sy ilofosanao”. Tehatsofina mivaivay no nanaraka azy ary tsy adinony mandritra ny fiainany manontolo izany tranga-javatra izany. Nanomboka teo i Jérôme dia nilokaloka fa tsy hamaky boky hafa afa-tsy ny boky masina intsony.

Niala tany Antioche ary i Jérôme ka nitoka-monina tany an-tany efitra tany Chalcis nandritra ny 5 taona, nianatra ny teny hebrio mba hafahany mamaky ny Baiboly amin’ny teny hebrio. Nialokaloka tamin’ny lozoka iray izay izy ary nanampy ireo kamboty sy mahantra ary sahirana ara-pivelomana tao amin’io tanana io. Rehefa sendra fakam-panahy izy dia ny famolaha-tena no handreseny izany. Rehefa vonona hanampy ny Fiangonana àry izy, dia niverina tany Antioche, ary nohamasinina ho pretra. Nefa tsy dia sahy nanao Sorona Masina loatra izy noho ny fahatsapany fa tsy mendrika izany. Ny taona 378 ka hatramin’ny 382, nankany Constantinople izy hianatra ny Soratra Masina, ka nampianatra azy tamin’izany i Gregoire de Nazianze. Notaominin’i Apolinas Epiphane ho any Roma i Jérôme ary nataon’ny papa Damase mpitan-tsoratra. Niandreketany ihany koa ny fandikana amin’ny teny latinina ny boky masina tamin’izany indrindra fa ny Evanjely sy ny famerenana ihany koa ny fandikana ny Baiboly manontolo nandritra ny telo taona, izany hoe ny taona 382 hatramin’ny 385. Avy eo moa izy dia nifindra nankany Betlehema mba hafahany mifantoka amin’ny asany. Maro ihany koa ny lahatsoratra nosoratany ho fiarovana ny Fiangonana. Ny 30 septambra 430 i Jérôme no nodimandry fony izy mpitoka-monina. Izy moa dia nanorina trano fitokana-monina roa ka ny iray ho an’ny lehilahy izay izy no nitantana azy. Ny iray kosa ho an’ny vehivavy ka i Estochium sy i Paula reniny no nikarakara izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...