Maro ireo olomasina mitondra ny anarana hoe Julien fa ny tsarovana ny 09 janoary dia i Masindahy Julien d'Antioche, vadin'i Masimbavy Basilisse. Izy ireo dia antsoina hoe mpivady virjiny, relijiozy martiry. Na dia maty tamim-pitiavam-bavaka aza i Basilisse dia nantsoina tamin'ireo anarana mitovy ireo izy roa.

Zanak'olona mpanankarena i Julien, tian'ny ray aman-dreniny hanambady izy nefa te hitana ny fahadiovany. Nanambady ihany i Julien ary nifanaraka izy roa fa hifanaja amin'ny fahadiovan-tena ka nifidy ny tsy hiara-mitoetra. Rehefa samy maty ny ray aman-dreniny avy, dia samy nivarotra ny lovany izy ireo satria samy nanam-be. Nentin'izy ireo nanampiana ireo mahantra izany ka nanoneran'izy ireo trano nikarakarana ireo olona sahirana. Maro ireo tovolahy nanara-dia an'i Julien tamin'izany asa fitiava-namana izany; toa izany koa ireo tovovavy nanao ho fakan-tahaka ny fiainan'i Basilisse ka nanaraka azy.

Tany amin'ny faritra tatsinanana dia nanohy ny fanenjehana nataon'i Dioclétien ny Amperora Maximin II. Nandefa an'i Marcien, manam-boninahitra izay tena olon-doza tokoa, tany Antioche izy mba hanenjika an'i Julien. Nakarina fitsarana i Julien, nandrehetana afo ny zoron-trano efatra nitsarana azy, fa niala maina ny mpitsara satria tsy may tao izy. Naverina teo amin'ny fitsarana indray izy, nokapohina tamin'ny tady navona, ary niharitra an'izany. Nisy miaramila anefa voan'ilay tady ny masony ka tsy nahita intsony, nefa nositranin'i Julien. Nogadraina vy izy ary notarihina eran'ny làlana. Tamin'io fotoana io nahita izany fihetsika feno habibiana izany i Selze zanak'i Marcien vao fito taona monja. Tohina izy nahita ny herim-pon'i Julien ary nilaza ampahibemaso fa hiditra ao amin'ny ankohonam-piainan'ny Tompo. Nalain'i Marcien i Selze sy i Julien ka nalatsany tao anaty lavaka, vao latsaka tao anefa izy ireo dia ny hazavan'ny lanitra no namirapiratra nanazava azy ireo ary niova ho manitra ilay fofona tsy azo niainana tao anatin'ilay lavaka. Noho ny fahitana izany fahagagana izany dia efa ho roapolo ireo mpiambina azy mianaka ireto no nibebaka.

Nanomana toerana handorana an'i Julien sy ireo mpiara-dia aminy i Marcien, nofenoiny menaka sy diti-kazo io toerana io. Tamin'io fotoana io dia nisy mpanompo sampy nandalo ary nitondra razana teny an-dàlana. Nangatahan'i Marcien i Julien hanagana izany ho velona, ka rehefa avy nitalaho tamin'Ilay Tompon'ny aina i Julien dia nitsangana ilay maty ary nilaza io fa i Jesoa Kristy irery ihany no Andriamanitra tokana ka hotompoiny mandram-pahafatiny mba hanala ny fahotany. Tsy nampihontsona an'i Marcien io fahagagana io fa nentiny ihany ireo andiana kristianina ho dorana, akory anefa fa niova ho loharano ilay menaka sy diti-kazo efa nomanin'i Marcien, hany heriny nampiditra am-ponja ireo kristianina ireo. Nirahan'i Marcien ihany ny vadiny mba hampiova hevitra an'i Selze zanany hiverina amin'ny fanompoan-tsampy, nefa nony tonga tao dia ny vadin'i Marcien indray no nangataka hatao batemy ka ny zanany no ho mpiantoka azy amin'izany. Natsipy tao amin'ireo biby masiaka àry ireo kristianina ireo, ka nefa tsy nisy sahy nikitika ireto biby fa vao mainka aza nanafosafo azy ireo no nataony. Hany herin'i Marcien dia nasainy notapahana ny lohan'izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...