Onena i Jesoa nahita ireo vahoaka

Sabotsy 05 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8 — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa ; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo.

Tohiny...

Tsy mitovy lanja amin’ny Sakramentan’ny fampihavanana ny famelàna mandritra ny vavaka fifonana amin’ny litorjia, fa manome antsika ny hevitry ny famindram-pon’Andriamanitra tsy misy fepetra. Manoloana io famindrapon’Andriamanitra io no hanekentsika ny fahalemena maha-olombelona antsika. Finoana-Aina, fandaharana manazava momba Vavaka fifonana sy Voninahitra mandritra ny litorjia miaraka amin’I P. Robert Maria Randriamanamahenina.

Nandefa taratasy fanentanana ny mpino ny Papa François, hanao sapile mandritra ny volana mai , volan’i Masina Maria. Nisy ihany koa ny vavaka manokana nosoratany hiarahana amin’ny Masina Maria, fitalahoana amin’izao valanaretina izao. Indro àry lahatsoratra feno, voadika amin’ny teny Malagasy:

Voajanahary ho an'ny olombelona ny asa. Mila tiavina sy hajaina ny asa noho izany, mba hampivelarana ny tena sy hampivoarana ny fiaraha-monina : Ny hevitry ny asa ao amin'ny Soratra Masina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina.

Manentana ny tanora hifoha amin’ny fahafatesana ara-panahy, ara-kolotsaina, ara-piaraha-monina ny Papa François, amin’ny hafatra ho an’ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tanora amin’ity taona 2020 ity, izay nampitondrainy ny loha-teny hoe : "Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna !" (Lk. 7,14).