Manentana ireo mpisehatra eo amin'ny tontolon'ny fahasalamana ny Papa François mba hanome lanja ny asany, ka hifikitra amin'ny "eny" ho an'ny aina. Nankahery ireo vesaran'ny aretina izy hitoky amin'i Jesoa-Kristy, famindram-po sy fankaherezana. Nivoitra ireo ao amin'ny hafatry ny Papa François ho an'ny fankalazana ny andro eran-tany faha-28 ho an'ny marary, ankalazaina ny 11 febroary 2020.

« Mankanesa aty amiko hianareo rehetra, izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana fa hanamaivana anareo aho » (Mt 11, 28)

Ry rahalahy sy anabavy malala,

1. Ny teny ambaran’I Jesoa hoe : « Mankanesa aty amiko hianareo rehetra, izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana fa hanamaivana anareo aho » (Mt 11, 28) manondro ny lalana feno misterin’ny fahasoavana miseho amin’ireo olon-tsotra sy  manome fanamaivanana mijaly sy reraka. Maneho ny  fiombonana amin’ny Zanak’olona, Jesoa -Kristy, manoloana ny olombelona mijaly sy zohim-pahoriana ireo teny ireo. Ndrey izny olona mijaly ara-batana sy ara-panahy! Miantso ny olon-drehetra hankeo Aminy izy : « Mankanesa aty amiko » ary mampanantena fanamaivanana sy fialana sasatra.” Rehefa nilaza izany I Jesoa, manoloana ireo olona mihaona aminy isanandro teny an-dalan’I Galilea: olona tsotra, mahantra, marary, mpanota, voahilika noho ny vesatry ny lalana sy ny rafi-piaraha-monina manjakazaka…Tsy mitsahatra manaraka azy ireo olona ireo mba hihaino ny teniny, ny teniny izay nanome fanantenana » (Anjelisy, 6 jolay 2014).

Amin’izao andro maneran-tany faha-28 ho an’ny marary izao, manasa ireo marary i Jesoa, sy ireo nampahoriana, ny mahantra izay mahafantatra fa miankina tanteraka amin’Andriamanitra, ireo maratra noho ny vesatry ny fitsapana, izay mila fanasitranana. I Jesoa Kristy dia tsy mametraka lalàna ho an’ireo miaina ao anatin’ny tebiteby noho ny fahalemeny, ny fanaintainana, sy ny fahosana, fa manolotra famindram-po, izany hoe ny tenany no mankahery. Mijery ny olombelona maratra i Jesoa. Izy manana maso mahita, mahalala, satria mijery ny any anaty lalina. Tsy fijery miserana sy mangatsia-po, fijery maharitra sy mandray ny olombelona rehetra, amin’ny toe-pahasalamany, tsy manilika na iza na iza, ary manasa ny rehetra hiditra ao amin’ny fiainany mba hiaina ny halem-panahy.

2. Nahoana i Jesoa Kristy no mikolo ireo fihetseham-po ireo ? Satria Izy mihitsy no nanaiky ho osa mba hiainany ny traik’efam-pijalian’ny olombelona ka nandray ny fampiononan’ny Ray. Araka izany, izay manao izany traik’efa manokana izany ihany no afaka ho fampiononana ho an’ny hafa. Misy endrika maro isehoan’ny fijaliana  mafy : ny aretina tsy ahitam-panafana sy miverimberina, ny aretina ara-tsaina (psychique), izay mila fanarenana sy na fanalana fangirifiriana, ny fahasembanana samihafa, ny aretin’ny fahazazana sy ny fahanterana. Amin’ireo toe-javatra ireo dia tsapa indraindray ny tsy fahampian’ny maha-olona ary maika noho izany ny fanatonana manokana tsirairay ny marary, tsy hitsabo azy fotsiny fa hikolokolo azy, ho amin’ny fahasitranana feno amin’ny maha-olombelona. Raha marary izy, mahatsapa fa tsy ny vatany manontolo ihany fa  eo ihany koa ny lafiny ara- pifandraisana, ara-tsaina, ara-pitiavana, ara-panahy. Andrasany noho izany, ankoatra ny fitsaboana, ny fanohanana, ny fiahiana, ny fifantohana.. raha tsarina dia ny fitiavana. Ankoatr’izany, eo anilan’ireo marary, misy fianakaviana mijaly st mangataka, ihany koa fankaherezana sy  fizohiana.

3. Ry rahalahy sy anabavy marary, manokana anareo amin’ny toeran’ny “reaka sy zohim-pahoriana” ny aretina, izay misarika maso sy ny fon’i Jesoa. Avy amin’io ny fahazavana manila ny fotoanan’ny haizina, ny fanantenana ho an’ny fankaherezana. Manasa anareo hankany Aminy izy : « Avia ». Ao Aminy, noho izany, ny tebiteby sy ny fanontaniana izay mipoitra ao aminareo , anatin’io « haizin’ny vatana sy ny fanahy » io no mahazo hery ho enti-mamakivaky azy. Marina, fa tsy manome antsika raiki-pohy I Jesoa, tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona , izy no manafaka antsika tamin’ny gejan’ny ratsy

Ao anatin’ny toe-piainanareo izao dia tena mila toerana ianareo hankahery anareo. Ny Fiangonana dia maniry mandrakariva ho trano fandraisam-bahinin’ilay Samaritanina   tsara fanahy, dia i Kristy (jereo Lk 10, 34), izany hoe trano izay ahitana  ny fahasoavany izay ahitana ny fifankazarana, ny fandraisana, ny fanamaivanana. Amin’io trano io, afaka mihaona amin’ny olona ianareo, sitran’ny famindrampon’Andriamanitra  tanatin’ny fahalemeny, izay hahay hanampy anareo hitondra ny hazofijaliana, ka handray izany ho toy ny feriny,  fisokafana izay hijerena ny fetra farany ivelan’ny aretina  sy handraisana ny fahazavana ary ny rivo-baovao amin’ny fiainanareo.

Amin’ity asa fankaherezana ny rahalahy marary ity no mitoetra ny fanompoan’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny fahasalamana, ny dokotera, ny mpitsabo-mpanampy, ny mpandraharaha  ara-pahasalamana sy ny mpitantana, ary ny mpirotsaka an-tsitra-po, izay maneho araka ny fahaizany, ny hahatsapana ny fisian’i Kristy, izay manome ny fampiononana sy miantsoroka ny olona marary eo am-pitsaboana ny feriny. Nefa ireo ihany koa dia lehilahy sy vehivavy miaraka amin’ny fahosany sy ny aretiny. Ho azy ireo manokana, ity teny ity, « raha vantany vao nadray ny fialan-tsasatra sy ny fampiononan’i Kristy  isika dia voaantso koa ho tonga fialan-tsasatra sy ny ho fampiononana ho an’ny rahalahintsika, miaraka amin’ny  fihetsika  mamy sy manetry tena, amin’ny fakana tahaka ny Mpampianatra » (Anjelisy, 6 jolay 2014).

4. Ry mpandraharaha ara-pahasalamana maneran-tany, ny fitilina  famantarana ny aretina rehetra , ny fomba fisakanana ny aretina mialoha, ny fitsaboana, ny fikarohana, ny fikarakarana sy ny fanarenana dia miantefa amin’ny olona marary, izay mialoha hatrany ny mpamari-toetra “marary” ny anarana “olona”. Noho izany ny asanareo dia mikendry mandrakariva ny fahamendrehana sy ny ain’ny olona, tsy milavo lefona na oviana na oviana manoloana ny asa ho fanafainganam-pahafatesana, ny famonoan-tena na ny fanesorana ny aina, eny fa na dia   tsy ahitam-panafana intsony aza ny aretina.

Anatin’ny fetra sy ny mety tsy fahombiazana amin’ny asa fikarohana ara-tsiansa manoloana ny trangan’aretina be olana mandrakariva sy ny trangan’aretina mety hitarika fahafatesana dia voaantso ianareo, hisokatra amin’ny fiheverana ambony izay mety hnaome anareo ny hevitra feno ny asanareo. Tsihiavina fa  masina ny aina, an’Andriamanitra izy, noho izany tsy azo setraina sy tsinotsinoavina (jereo instur, Donum vitae, n°5 ; Enc . Evangelium vitae, n°29-53). Tsy mainsy raisina ny aina, arovana, hajaina sy tompoina, manomboka amin’ny fahaterahana hatramin’ny fahafatesana : sady zava-takian’ny saina io no takian’ny finoana an’Andriamanitra tompon’ny aina. Amin’ny tranga sasany, safidy maika ny fironana amin’ny fanoheran’ny feon’ny fieritreretana mba hifikirana amin’ny « eny » ho an’ny aina sy ny  olona. Na izany aza, ny maha-matihanina anareo, entanin’ny fitiavana kristianina, no  fomba tsara indrindra  tamin’ny asa ho fanajana ny tena zon’olombelona : zo hiaina. Rehefa tsy manasitrana ianareo dia mbola afaka mitsabo amin’ny alalan’ny fihetsika sy ny ireo fomba mitondra fanamaivanana sy fankaherezana ny marary.

Indrisy anefa, amin’ny tranga sasany hisian’ny ady sy ny fifanoherana feno herisetra, ny mpandraharaha ara-pahasalamana sy ny rafitra misahana ny fandraisana sy ny fikarakarana ny marary no iharan-doza. Amin’ny faritra sasany, ny fahefana ara-pôlitika ihany koa no miseho mibaiko ny tontolon’ny fahasamalana mba ho an’ny tombontsoany, izay mametra  ny  fizakan-tenan’ny asa momba ny fitsaboana. Raha ny marina,  ny manafika ireo manokan-tena manompo ny olona mijaly eo amin’ny fiaraha-monina dia tsy mitondra tombotsoa na ho an’iza na ho an’iza.

5. Amin’ity andro maneran-tany faha-28 ho an’ny marary ity dia mahatsiaro ireo rahalahy sy anabavy maro eran-tany aho , ireo izay tsy mba afaka mitsabo-tena, satria miaina anaty fahantrana. Mitodika amin’ireo rafitra misahana fahasalamana sy ny Governemanta amin’ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao aho mba tsy hanamaivana rariny ara-tsosialy sy ara-piaraha-monina ho tombontsoan’ny lafiny toe-karena. Iriko ny mba hampifandraisana ny fitsipiky ny firaisan-kina sy ny fandraisan’ny tsirairay ny andraikitra mifanandrify aminy, azo atao ny miaramiasa  mba ho afaka hisitraka ny fisaboana mifanaraka amin’ny aretiny ny tsirairay mba hiarovana sy hahazoana fahasalamana. Isaorako eram-po tokoa ireo manolo-tena manompo ny marary, matetika manampy noho ny tsy fahampian’ny rafitra, ary hita tarata amin’izy ireny ny  fihetsika feno halemem-panahy sy ny fanatonana, maneho ny endrik’i Kristy Samaritanina tsara fanahy.

Ankiniko amin’i Maria Virjiny fahasitranan’ny marary, ny olon-drehetra vesaran’ny aretina, miaraka amin’ny fianakaviany, ary koa ny ny mpikatroka rehetra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Mampanantena anareo aho fa eo akaikinareo mandrakariva amin’ny vavaka ataoko ary mitso-drano anareo amin’ny foko.  

Teto Vatikana, ny 3 janoary 2020, Fahatsiarovana ny Anara-Masin’i Jesoa.

François

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...