Tokony hahay hanitsy ny zanany, tsy hanala baraka azy ny ray ary mahay manasazy araka ny hitsiny, hoy ny Papa François, ka navoitrany fa raha hampita ny fahendrena sy ny fahitsiana, dia tsy maintsy miaraka aminy mandrakariva, manam-paharetana ary mamindra-fo. Indro ny tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa.

 

0 : 00

Ny tena ilaina voalohany indrindra, noho izany, hoy ny Papa François dia : tokony  eo amin’ny ankohonany mandrakarivana ny ray. Tokony ho eo anilan’ny vadiny izy mba  hifampizara aminy ny zavatra rehetra, ny hafaliana, sy ny fijaliana, ny harerahany vokatry ny asa aman-draharaha sy fivelomana na izay mety ho fanantenana lehibe manentana azy ihany koa eo amin’ny fianany.Ary tokony ho eo anilan'ny zanany izy mandritra ny fotoam-pitomboan'izy ireo : rehefa milalao, rehefa mampihatra izay nampianarina azy, rehefa sahiran-tsaina sy be tebiteby, rehefa maneho hevitra na rehefa tsy ahitan-teny, rehefa sahisahy sy rehefa matahotra, rehefa solafaka sy rehefa mahita ny lala-kizorana ; eo mandrakariva ny ray. Tsy mitovy amin'ny hoe: manara-maso, ny miteny hoe : eo! Satria ny ray manara-maso loatra ny zanany dia mamotika azy ireo, tsy mamela azy ireo hitombo.

Manome ohatra antsika momba ny Ray any an-danitra ny Evanjely- efa hitantsika tany aloha tany ny santionany maneho ny maha Ray azy fa - izay Ray hany tokana azo antsoina hoe " Ray tsara", hoy i Jesoa (jr. Mt 10, 18). Ny rehetra dia mahalala tsara ny momba ilay fanoharana miavaka nataon’i Jesoa nantsoina hoe "ny zaza mpandany", na hoe " ray be famindram-po", hita ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Md Lioka toko faha-15 (jr. Lk 15, 11 – 32). Diniho tsara ange! Toa inona ny fahamendrehana sy ny halemem-panahin'ity ray ity ao an-trano, miandry ny fiverenan'ny zanany! Tsy mitsahatra izy mitazana eny lavitra eny miandry ny hiverenan’ilay zanany. Naneho faharetana lehibe ilay ray niandry ny fiverenan’io zanany io. Tsy misy n’inon’inona azony natao afatsy ny niandry koa anefa. Nivavaka izy ary niandry tamim-paharetana, tamim-pahalemem-panahy ary tamim-pamindram-po ny fiverenany ka akory ny hafaliany rehefa niverina ity zanany izay noheverina ho nanao ditra na hadalana. Nasehony mandrakariva ny maha ray azy ary noporofoiny tamin’io zaza io fa zanany izy.

Tokony hanam-paharetana ny ray. Matetika dia tsy manan-katao afa-tsy ny miandry, mivavaka sy miandry amim-paharetana, halemem-pananhy, hamoram-pananhy, famindram-po.

 

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...