Hafalian'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ny zanaka, hoy ny Papa François. Fanomezan'Andriamanitra izy ireo. Manana fifandraisana lalina ny ray aman-dreny sy ny zanaka noho izy ireo mifaningotra aina. Tohin'ny Katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa :

 

0 : 00

Eo anatrehan’Andriamanitra anefa moa ny olona rehetra na ireo ao anatin’ny fahazazana na ireo lazaina fa ankizy na ireo ao anatin’ny adolantsento na ireo ao anatin’ny fahatanorana na ireo izay heverina fa efa olon-dehibe dia samy zanaka daholo satria isika rehetra dia miantso an’Andriamanitra ho Ray avokoa araka ny fampianarana efa nomena antsika any ambony any momba ny Ray. Noho ny vavaka nampianarin’i Jesoa antsika hoe: “Rainay any an-danitra” dia zanaka avokoa isika rehetra satria miantso azy Andriamanitra ho raintsika avokoa. Noho izany dia tokony hipetraka amin’izay maha zanaka antsika izay avokoa isika eo anatrehan’Andriamanitra. Ny kristianina rehetra dia nandray io fanomezana lehibe io dia ny fananganana antsika ho zanany tamin’ny alalan’ny batemy noraisintsika. Ireo rehetra lazaina fa zanaka ireo izany ankihitriny dia mil any Eglizy, mil any Fiangonana, mil any fiaraha-monina ary mil any firenena ho toy ny fianakaviana hiahy azy ireo ary ho toy ny ray aman-dreny mpanohana azy rehetra ireny.

Noho izany dia misy fifandraisany akaiky sy lalina eo amin’ny fanantenan'ny vahoaka sy ny firindra eo amin'ny taranaka mifandimby. Tokony heverintsika tsara izany. Asian’ny Papa tsindrim-peo mihitsy ny hoe misy fifandraisana lalina eo amin'ny ny fanantenana ny vahoaka sy ny taranaka mifandimby. Manaitra sady manohina ny fon’ny ray aman-dreny ny hafalian'ny zanaka ary manokatra indray ny ho avy. Ny ankizy no hafaliana ho an’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina.

 Fanomezana ny zanaka, hoy ny Papa. Fanomezan’Andriamanitra tsara indrindra. Ho antsika Malagasy dia ny zanaka na ny taranaka no harena voalohany indrindra. Misy ny sasany amin’ireny zanaka na ny taranaka ireny, hoy ny Papa no tokana ary tsy azo soloina na tsy misy mahasolo azy ary tsy azo ampitahaina na oharina amin’ireo razany efa tany aloha tany koa.

Ny maha zanaka lahy na zanaka vavy araka ny fandaharan’Andriamanitra, hoy ny Papa, dia midika fa mitondra ao amin’ny tsirairay avy ny fahatsiarovana sy ny fanantenana vokatry ny tena fitiavana amin’izy samy izy ary mizara izany amin’olona iray hafa ankoatra azy ireo izay raisiny ho toy ny mpiray tampo aminy ihany ka ny fitiavana zaraina eto dia tena fitiavana tsy mifonofono ambadika ary vaovao mandrakariva. Mifaningotr’aina ireo zanaka vokatry ny maha iray rà nateraka sy vokatry ny fitiavana ifampizarana amin’ny hafa ireo ka raha misy mahazo ny hafa na ny iray dia marary aina koa ny sasany. Izay no voalaza amin’ny fitenintsika mazàna hoe raha tohina ny aty marary ny afero. Ho an’ny ray aman-dreny kosa indray ny zanaka dia tsy hafa fa izy tenany ihany satria aina avy amin’ny ainy kanefa tsy midika izany fa mitovy aminao koa fa eritrereto hoe olona hafa manana ny maha izy azy io ary mety manana ny filàna na ny maharary azy manokana. Na izany aza anefa dia aina iray tsy afa-misaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Manome ohatra ny Papa ary mijoro ho vavolombelona, izay tsy iza fa ny fiainany teo amin’ny ray aman-dreniny ihany no anehoany izany: dimy mianadahy izahay no zanaky ny mamanay, hoy ny Papa, sady natsangany ny rantsany dimy. Tahaka io rantsana dimy mitambatra amin’ny tanana iray io izahay enina mianaka: raha kapohina ny iray amin’ireto rantsana ireto dia mahare marary avokoa izy dimy ireo ary ny tananao mihitsy no tsapanao maharary. Torak’izany koa izahay, raha misy voakapoka amin’ireo iray tampo amiko, hoy ny Papa, dia izaho koa no toa mahatsapa maharary ary iretsy hafa koa torak’izany. Ary na dia mama aza dia mahatsiaro maharary koa. Midika izany fa na dia olona samihafa aza izahay dimy miaraka amin’i mama dia samy mahare maharary avokoa raha misy anankiray voatohintohina noho ny aina iray mampifandrohy noho ny maha mpiray tampo. Dia toy izany ny fianakaviana tsirairay avy na ny ankohonana tsirairay avy: Ireo zanaka dia samy hafa satria olona samihafa kanefa dia iray ireo ary samy zanaka daholo. Ny tena ray aman-dreny moa dia tsy mahafoy an’ireo na misy inona na misy inona satria samy zanaka naterany ary aina avy amin’ny ainy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...