Raha mitohy ny fanajana ny ray aman-dreny dia hivoatra ny fomba amam-panao ankehitriny, hoy ny Papa François. Harena sarobidy ho an'ny zanany ny zokiolona satria izy ireo no mampita ny fahendrena ho an'ny taranaka mifandimby. Manohy ny fandalinam-pinoana momba ny anjara-toeran'ny zokiolona ao amin'ny fianakaviana, araka ny fampianaran'ny Papa François i P. Justolat Rafaralahimboa.

0 : 00

Ny Papa Benoit XVI tamin’ny 22 novambra 2012 raha namangy tao amin’ny trano fitaizana antitra izay dia niteny mazava ary tenim-pankaherezana hoe: “Anisan’ny mampisongadina ny maha izy azy ny fiaraha-monina amin’ny fomba amam-panaony ny fametrahana ny zokiolona sy ny be antitra amin’ny anjara toerany nefa miombona tanteraka amin’io fiaraha-monina io izy”. Marina izany hoy ny Ray masina satria ny fiahiana sy ny fijerena manokana ireny zokiolona sy ny be antitra ireny dia anisan’ny mametraka ny maha hafakely ny fomba amam-panao ao amin’io fiaraha-monina io. Tena mitondra ireo zokiolona ireo ho famaritrana ny fomba amam-panao ve ny fiahiana azy ireo? Misy anjara toeran’izy ireo ve any amin’ny fiaraha-monina misy antsika any?    

Raha misy sy mitohy hatrany ny fahaizana maneho ny fahendren’ireo ray aman-dreny taloha amin’ny fanajana sy fanomezana toerana ireo olona be taona sy antitra dia handroso fatratra amin’ny famirapiratana ny fomba amam-panao iainantsika ankehitriny. Fa raha ny mifanohitra amin’izany kosa no hiseho any amin’ny fiaraha-monina misy any, dia mametraka tsimokaretina manimba io fiaraha-monina io izany fomba amam-panao tsy manaja ny zoky olona sy ny be antitra izany ary mety hamono io fiaraha-monina io mihitsy aza. 

Any amin’ny firenena tandrefana araka ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka ankehitriny dia izao taonjato diavintsika izao dia taonjaton’ny fahanterana ary misy fiantraikany ratsy amin’ny ho avy any aoriana izany satria mihena ny salan’ny ankizy fa ireo be taona sy antitra kosa dia mitombo.Manao antso avo amin’izany tsy fifandanjana isa izany moa ny Papa François ary manainga ny fiaraha-monina ankehitriny hametraka fanamby amin’izao amin’izao taon-jato hiaintsika izao. Na izany aza anefa misy kolontsaina any amin’ny faritra sasany manilikilika ireo be antitra ireo na manararaotra azy ireo atao fitaovana hitadiavana tombontsoa satria heverina ho toy ny vesatra ho an’ny fiaraha-monina ny fisian’izy ireny any.

Heverina ihany koa izy ireny ho an’ny fiaraha-monina na ny kolontsaina sasany fa toy ny efa fanao an-jorom-bala satria efa lany na tapitra ny tokony liana azy ka toy ny zavatra fanary izy ireo. Ho an’ireny kolontsaina ireny dia tena ratsiratsy kokoa ny mieritreritra azy satria tsy vitan’ny hoe tsy afaka hanao n’inon’inona intsony izy ireny, tsy afaka hamokatra na hanome tombontsoa intsony fa vesatra fotsiny ho an’ny fiaraha-monina fa dia tena noheverina ho toy ny fako fanary mihitsy aza. Manameloka ny fomba fisainana toy izany ny Papa François ary ambarany mazava fa ratsy dia ratsy izany fomba fisainana ary fahotana izany, hoy izy. Tsy sahy miteny an’izany an-kalalahana ny sasany nefa dia izany mihitsy no hanaovany an’ireny be antitra ireny any amin’ny fiaraha-monina any. Tsy maintsy hatsahatra izany fomba fisainana manilika na manao toy ny fakofako ireny zokiolona sy be antitra ireny, hoy ny Papa François.

Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, audience générale 04 mars 2015

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...