Sabotsy 25 janoary 2020 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-18 — Izaho no nifidy anareo teo amin'izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan'ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

0 : 00

Mankalaza ny nibebahan'i Masindahy Paoly ny Fiangonana rehefa 25 janoary. Fantatsika ny nibebahan'i Saoly, ilay Jody mafana fo, niaro ny finoany sy ny fivavahany ka nanenjika ny kristianina. Ary rehefa nibebaka izy, dia nentiny nitory an'i Kristy ilay nenjehiny ny hafanam-pony. Izany no tena fibebahana, miova fiainana tanteraka. Manohitra ny toetra taloha ary manonitra be lavitra aza. Novan'Andriamanitra ny fon'i Saoly, niova hatrami'ny anarany: lasa hoe Paoly. Io maha isika antsika io ihany no tefena sy volavolaina ho araka izay ilan'Andriamanitra azy.

"Mandehana amin'izao tontolo izao mitory ny Evanjely amin'ny voaary rehetra", hoy i Jesoa. "Ny voaary rehetra no mila famonjena", hoy i Masindahy Paoly ao amin'ny Romana 8, 19-24. Hoy koa ny Katesizin'ny Fiangonana Katôlika hoe: "I Kristy otronin'ny olombelona rehetra no antsoina hoe Kristy manontolo, satria ao aminy no hamondronana ho iray ny voaary rehetra amin'ny andro farany". Izay ilay famonjena farany.

Hitoriana, ampianarina ny olona ka mino vao atao batemy, fa tsy ny mifanohitra amin'izany akory. Ny finoana mantsy no mahavanona ny batemy sy ny sakramenta hafa rehetra. Ireo famantarana, homba izay mino, nomen'i Jesoa tamin'izany fotoana izany dia miseho amin'ny fomba hafa kosa ankehitriny. Tsy ara-bakiteny, satria miseho amin'ny fomba maro samihafa ny fahasoavan'Andriamanitra.

Mivavaha isika mba hibebaka ny mpanota, ary mivavaha mba hamokatra ny fitoriana ny Evanjely amin'ny voaary rehetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...