Alahady 02 febroary 2020 — Ny nanolorana ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-40 — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr'i Israely olonao.

0 : 00

Notantarain’i Md Lioka tamintsika teo ny fiakaran’i Maria sy Jozefa ary Jesoa zazakely ho any an-Tempoly mba hanatanteraka izay voalazan’ny lalan’ny Tompo, izany no fomba fanao tamin’izany  iainana sy anehoan’ireo vahoaka ny finoana ary ankatoavany ny lalana. Lalana izay mirakitra ny sitra-pon‘Andriamanitra, anehoana fitiavana Azy (cf. Dt 6, 3). Toetrantsika olombelona mino an’Andriamanitra io nataon’i Maria sy Josefa io, indrindra isika miandry ny fanavotana avy aminy.

Fomban’Andriamanitra ny mialoha lalana mandrakariva amin’ny faniriantsika Azy, tsy isika intsony no mitady Azy fa Izy no tonga eo anivontsika amin’ny alalan’ny Zanany, dia ilay Zanany natolotra tao an-tempoly, mba ho fantatr’izao tontolo izao, araka ny nambaran’i Simeona hoe: “ny masoko no nahita ny famonjena avy Aminao”. Fa io Zanany io no hamonjy an’izao tontolo izao, hitarika ny olombelona rehetra hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavana.

Iainantsika izao fety lehibe, nanolorana ny Tompo izao dia ny hatsiarovana hatrany ny nanolorana antsika tamin’ny Batemy, voatokana ho an’Andriamanitra isika mba hitia sy hanompo Azy ambonin’ny zavatra rehetra hihavaozan’ny fiainantsika hatrany, hanekentsika ho tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra sy hampamokatra ny asany eo amintsika. Fa izany no maneho ny maha “FAHAZAVANA” marina antsika.

Enga anie hanahaka hatrany an’i Kristy ny fiainantsika manontolo, ho ritra eo am-panompoana an’Andriamanitra sy ny hafa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...