Alahady 09 febroary 2020 — Alahady fahadimy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 13-16 — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan'ny fiainana.

0 : 00

Mazava ny lazain’i Jesoa amin’ny Evanjely fa fanasina isika. Tsy ny tsirairay fa isika miaraka. “Ianareo” hoy Izy. Fanasina tsy ho ao am-piangonana ihany fa fanasin’ny tany, any amin’ny manodidina antsika sy izay misy antsika any: na ao an-tokantrano, na eny an-dalana, na any am-pianarana, na any am-piasana. Ny zava-misy anefa, matetika fanasina lany tsiro isika ka vao mainka manimba ny zavatra asiana azy. Koa mila haverina amin’ny maha fanasina azy. Izao koa anefa Fanasina kely ihany dia mampahatsiro ny nahandro saingy tsy mijoro amin’izany isika, hany ka mbola matsatso ny tany. Izao mantsy sady efa kely no tsy misy aza indraindray, ka ahoana moa no tsy hampahatsatso ny tany amin’izany?

Fanampiny, manaiky ho levona hampahazo tsiro! Araka ny fiteny hoe: “Manan-tsira ka mahay mahandro.” Raha tsy izany ho ratsy nahandro. Angolain’ny fitia rafozana ka ondry velona no hosoram-panasina! Kamboty saro-belomina: omen-tsira bongo maso, omen-tantely, marary kibo. Tandremo àry sao very hasina ny fanasina na ny sira, na koa ny fanasina mihitsy no very! Dia miha matsatso ny tany.

Tsy vitan’ny fanasina ihany isika, hoy i Jesoa, fa fahazavan’izao tontolo izao. Haintsika tsara izany fahazavana izany fa arakaraky ny mahamaro azy no mampazava izay misy azy. Ilaina mirehitra anefa izy amin’izany raha tsy izany tsy misy ilàna azy. Vao avy nankalaza ny fetin’ny jiro masina isika ka azontsika tsara ny tian-kambara. Tandremo fa sao misorona afo aman-jiro, homa-maizina am-pototry ny mazava! Manaiky ho dorana mba hirehitra, hampisy fahazavana! Ny lahany no ampirehetina amin’izany. Matetika anefa ny loham-pianakaviana no tsy mirehitra hany ka manjary maizina am-pototry ny mazava matetika. Soa fa tsy ny rehetra fa misy ny tena mirehita tsara azo antoka.

Fanampin’izany tsy maintsy mihalany sy mihalevona eo am-panazavana ny hafa! Ny soa atao levenam-bola, araka ny foto-kevitra amin’izao alahady fahadimy mandavan-taona A izao ka tsy anenenana ny manao izany. Izany hoe tsy maintsy levona hahasoa ny hafa na amin’ny maha fanasina izany na amin’ny maha fahazavana. Ny mifanohitra amin’izany tsy izy, toy ny manasongadina tena sy ny mirehareha ary ny mizahozaho! Fanetry be ho an’ny maha fanasina sy fahazavana izany. I Jesoa no ohatra velona amin’izany. Nanolotra ny tenany teo amin’ny hazofijaliana mba hahavelona sy hahavoavonjy antsika. Fa nasandratry ny Rainy Izy vokatr’izany. Koa mijoroa ho fanasina sy fahazavana àry mba hanomezana voninahitra ny Ray any an-danitra, hiainana bebe kokoa ny batemy noraisintsika sy manosika antsika ho fanasina sy fahazavana. Aza avela ho lefy na oviana na oviana izany. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...