Alatsinainy 10 febroary 2020 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 53-56 — Araikao amin'ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.

0 : 00

Tsara ho fantatra aloha fa mialoha ity ampahana Evanjely henontsika teo ity i Jesoa dia nampitombo mofo dimy sy hazandrano roa ho an’ny olona 5000 ny lehilahy fotsiny, tsy mbola anatin’izany ny zaza amam-behivavy, avy eo nalefany hialoha Azy ny mpianany fa mbola nandeha nivavaka Izy, nandeha teny ambony ranomasina nanatona azy ireo. Mbola vao avy nanao fahagagana Izy ka tena malaza, araka izany, ka tsy mila ampahalalaina akory fa efa fantatry ny olona.

Indrisy anefa fa efa ho 2000 taona aty aorian’ny nahatongavany tety an-tany, amin’izao androntsika ankehitriny izao mbola betsaka ireo tsy mahalala Azy, mbola misy ihany ireo tsy te hahalala Azy, minia tsy mandray Azy na koa mody fanina, na manakalo Azy amin-javatra na olon-kafa. Izao anefa, Izy aza no ivon’ny tantara, ny fanisana andro miainga avy Aminy fa tsy amin’olon-kafa, tsy misy ambony noho Izy sy tsy misy mahasolo Azy na iza na iza na aiza na aiza. Eo anivontsika mandrakariva Izy sy miara-monina amintsika mandraka ankehitriny.

Tamin’izany nahatongavany tety izany, tsy nahalala sasatra na vizana Izy fa mbola nandeha nitety tanana sy vohitra indray avy eo. Midika izany fa tsy mampipetrapetraka ny asa fitoriana ny Evanjely, ny asa fanirahana, izany no asam-pamonjena. Modely ho an’ny iraka izany nataony izany. Tsy nijanona tao an-trano fa nandeha nivoaka tany ivelany; koa ilaina ny mivoaka, manatona ny olona “mitety”, manakaiky azy, indrindra ireny ahilikiliky ny fiaraha-monina ireny, ireny nania ireny… fa tsy mionona fotsiny ao am-piangonana, miandry mahazo, araka ny fanentanan’i Papa Fransoa tato ho ato, mamangy sy mitsidika mba hahafantarana bebe kokoa ny mahazo ny olona, mandroso vaha olana sy mankahery azy amin’ny ady mafy atrehany amin’ny fiainana, mitondra fiadanana sy fanantenana ho azy, mitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Amin’izany, manala ny rofintsika i Jesoa. Fantany izany fa mila antsika manatona sy mitondra izany eo Aminy Izy. Ny fahoriana iaraha-mizaka maivana, ny entan-jaraina mora zaka, araka ny fitenintsika ka tsara ny itondrantsika ireny fijaliantsika ireny ho eo Aminy fa aza milonjitra irery.

Izay nanendry Azy dia sitrana, mainka moa fa isika mandray Azy amin’ny Komonio fa tsy ho manendry fotsiny! Mitaky finoana izany. Finoana iainana sy zaraina, finoana halalinina, finoana tanana sy arovana fa tsy finoana manidina toy ny akofa ka mora paohon’ny rivotra, finoana latsaka anaty, finoana mafy orina! Hankahery antsika sy hampirisika antsika hatrany hiaina bebe kokoa ny finoana anie ny fihaonantsika Aminy. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...