Talata 11 febroary 2020 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-13 — Mahatoky amin'ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin'ny asany rehetra.

0 : 00

“Niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema” Miangona koa isika isan'andro, na isan’alahady any am-piangonana ka aoka noho i Jesoa no mahatonga antsika hiangona sy hivory fa tsy olona na zavatra hafa toy ny karatra na daomy na baolina na adin’akoho na sasa lamba na eny an-tanimbary na mivarotra na asa hafa. Ny tena raharaha mantsy dia ireny no tsy hahafahana mivavaka, anadinoana an’Andriamanitra. Misy koa mankany am-piangonana noho ny fandraisana sakramenta na noho ny tahotra an-dranona sy ranona. Misy aza moa manao toy ny Farisianina sy mpanora-dalàna: tonga eo amin’i Jesoa mba hitsikilo sy hitsikera, hiandry kendritohana. Raha mahatsiaro tena ho zanaka isika, asesiky ny fitiavana ka mankany an-tranon-dRay e! ary rehefa tonga any hifantoka tsara amin’izay atao fa tsy variana amin’ny manodidina. Misy aza moa mankany ihany fa varian-dalao na manoko resaka eny an-tokontany ka rehefa mirava ny olona dia mandeha mody koa! Hadisoana be vava ny toy izany.

Manaraka izany, mampianatra antsika i Jesoa fa tsy ny fanarahana ny fombafomba ivelany no inona fa entina hanampy ireny. Ny ao anaty ihany no tena zavatra! Misy fitenenana aza moa hoe ny hahalalana fa olon-dehibe dia mahay mihatsaravelatsihy. Tsy mety amin’ny ara-pinoana izany. Ny tsotra tahaka ny voromailala aza no takiany satria mihanjahanja sy miharihary eo imasony avokoa ny ataontsika rehetra. Tsy natao hamatotra ny lalàna fa natao hanafaka. Ka ny fampiharana azy entina hampanatona an’Andriamanitra misimisy kokoa fa tsy sanatria hanalavirana Azy. Ny didin’Andriamanitra no tsara amboniana fa tsy mety ny mifanohitra amin’izany ka ny an’olombelona indray no hasohasoina hanipahana ny an’Andriamanitra. Tsy vitsy anefa no manao ity farany ka mila fibebahana, miala amin’izany. Ohatra ireny misoratra ara-panjakana ireny dia manao tokantrano imaso fa tsy mety miroso amin’ny mariazy… mbola nakamban’ny soratra ireny fa tsy nakamban’Andriamanitra. Ka matoa ny fiainantsika mbola toy izao dia betsaka no iharan’ny tenin’i Izaia mpaminany sy nohamafisin’i Jesoa eto, manao hoe: “Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa manalavitra Ahy ny fony; koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana. Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo”. Tandremo tsara ny amin’izany.

Aoka tsy hoentim-paharazana na entim-pahazarana isika mivavaka fa ho entin’ny fo tia sy mahatoky an’Andriamanitra. Indraindray mantsy dia izany no andehanana mivavaka ka mila hahitsy.

Fa andro maneran-tany faha-28 hivavahana ho an’ny marary ity 11 febroary ity ka hahatsiaro izany isika rehetra, araka ny fanentanan’i Papa Fransoa, na ireo marary akaikintsika na ireo lavitra, indrindra ireny marary tratran’ny aretina tsy ahitam-panafana ireny intsony, ireo mitondra ny mangirifiry noho ny aretina mikiky azy isan’andro ka mampanalavitra azy ireny amin’Andriamanitra, ireny tsy manam-bola hitsaboan-tena ireny, ary ny mpitsabo sy ny mpikarakara marary fa noho ny vavaka ataon’i Masina Maria dia hahay hanankina ny aretiny amin’ny fijalian’i Jesoa izy ireny ka hiombonany anjara amin’izany ary hanana fanantenana fa tsy maintsy mandresy miaraka amin’i Jesoa na ho ela na ho haingana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...