Sabotsy 07 desambra 2019 - Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8.
Manandrata feo eny amin'ny tendrombohitra ianao izay mitory teny soa. Indro fa tonga amin'ny heriny ny Tompo.

0 : 00

Ireo asam-pamonjena sy asam-pitoriana nataon'i Jesoa tao amin'ny Vaovao Mahafaly androany no iraka voalohany nataony tao aorian'ny bateminy. Manao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny famonjena ny hafa i Jesoa. Mamarana ny herinandro voalohany sahady isika amin'ny Fiaviana. Ampirisihan'ny Fiangonana mandrakariva mba hihomana sy hanomana. Ny endrik'izay fanomanana sy fihomanana izay raha tarafina ao amin'ny Evanjely androany dia ilay iraka nataon'i Jesoa amin'ireo mpianany.

Niantso ny mpianany Izy, ary naniraka azy ireo indray avy eo. Dia ataoko fa toa izany koa ny fiainantsika kristianina. Mba samy efa nantsoin'Andriamanitra, dia nirahiny ho eo anivon'ny olona rehetra mba hitaona ny hafa, hanentana ny olona tsirairay amin'ny fahatongavan'ny Tompo.

Maro tokoa mantsy ny olona ankehitriny no difotry ny asa aman-draharaha, revon'ny fitadiavana sy ny fiainana ary lasa manadinodino an'Andriamanitra indraindray. Izay ilay nolazain'i Kristy hoe: "mandehana any amin'ny ondry very amin'ny taranak'Israely".

Ry havana, foanan'ny fihomanana tokoa àry izao, koa samia misikimponitra manatona an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana. Hifaninano ny mifanao soa sy mifanampy. Aoka mba tsy hisy samy maka ho azy fa ny Fiangonana fiombonana.

Anjely mpiambina anay! Ambeno sy arovy izahay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...