Talata 24 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 1-16 — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra ; amereno ny hafaliana avy amin'ny vonjinao.

0 : 00

Manasitrana olona hafa indray i Jesoa, dia olona miandry kisendrasendra izay ahakasihany ny rano hetsiketsehan'ny anjely, narary efa hatramin'ny 38 taona. Endrik'ilay olombelona sasa-miandry famonjena izany, miaritra ny fangirifirian'ny aretina, mijaly fadiranovana anaty fahotana. Eo indrindra i Jesoa no tonga mamonjy, manasitrana, mampitsangana. Vonona isan'andro Andriamanitra ny hamonjy antsika, finoana sy fitokisana no andrasany amintsika dia tanteraka izany. Tsy finiavana te handika ny sabata akory ny an'i Jesoa raha nanasitrana amin'ny andro sabata, voarara rahateo moa izany satria andro fitsaharana io. Voarara ny asa azo atao, voafetra ny vesatry ny entana azo entina. I Jesoa manasitrana amin'ny andro sabata dia entina ilazana hoe izay mino an'i Jesoa Kristy dia afaka amin'ny lalana be didy fa miaina an-kalalahana ny maha zanak'Andriamanitra Ray azy. Tokony manova ny maha isika antsika sy ny fiainantsika manontolo ny fihaonana amin'i Jesoa. Maro mantsy ankehitriny ny sady mijoro ho kristianina fa mbola mino sy mitoky amin-javatra hafa koa ankoatra izany.

Avy teo i Jesoa, nanatona ilay olona nositraniny. Tsy sitrany mantsy ny hialokalofan'ilay voasitrana any anaty vahoaka any ; izany hoe mampanana ary mampisy fifandraisana manokana amin'i Jesoa ny fahasovana noraisina. Aoka tsy hialokaloka any anatin'ny betsaka isika fa hijoro amin'ny maha isika antsika eo anatrehan'Andriamanitra. Hijoro amin'ny anaran'ny tena manokana. Nafaran'i Jesoa ralehilahy tsy hanota intsony mba hitohy ny fahasoavana vao azony. Mba ho finaritra mandrakariva eo am-panompoana azy Tompo sy eo am-panarahan-dia an'i Kristy. Ny fihaonana amin'Andriamanitra mantsy antso ho masim-piainana mandrakariva. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...